FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ‘Andriamanitra no Mampitombo’!
    Ny Tilikambo Fiambenana—2008 | 15 Jolay
    • Natory ilay mpamafy

      13, 14. a) Fintino ny fanoharan’i Jesosy ao amin’ny Marka 4:26-29. b) Iza no mpamafy, ary inona ilay voa?

      13 Misy fanoharana iray momba ny mpamafy koa ao amin’ny Marka 4:26-29, manao hoe: “Ny fanjakan’Andriamanitra dia tahaka ny olona iray manipy voa amin’ny tany. Matory izy amin’ny alina ary mifoha amin’ny maraina. Ary maniry ilay voa ka mitombo, nefa tsy fantany hoe amin’ny fomba ahoana. Mamokatra tsikelikely amin’izao fotsiny ny tany: Voalohany, ny raviny toy ny ravin’ahitra, avy eo ny salohy, ary farany ny voa eo amin’ny salohy. Raha vantany vao azo jinjaina anefa ny vokatra, dia jinjainy satria tonga ny fotoam-pijinjana.”

      14 Iza no mpamafy eto? Misy amin’ny Kristianina anarana mihevitra fa i Jesosy ilay mpamafy. Tsy mety anefa raha i Jesosy no lazaina fa lasa natory, ka tsy nahafantatra hoe ahoana no nampaniry ilay voa. Fantany tsara mantsy izany! Ny mpitory ilay Fanjakana kosa no mpamafy, toy ny tamin’ilay fanoharana teo aloha ihany. Mamafy ny voan’ilay Fanjakana izy ireo rehefa mitory. Ny teny toriny no voa afafiny.b

      15, 16. Inona no nasongadin’i Jesosy momba ny fitomboan’ny voa ara-bakiteny sy ny voan’ilay Fanjakana?

      15 Nilaza i Jesosy fa “matory [ilay mpamafy] amin’ny alina ary mifoha amin’ny maraina.” Tsy diso akory ilay mpamafy raha natory. Fanao mahazatra ny olona fotsiny no tiana haseho eo. Hita amin’ilay fomba filaza nampiasaina eo, fa fahazarana mitohy ilay izy. Inona no mitranga mandritra izany? Hoy i Jesosy: “Maniry ilay voa ka mitombo, nefa tsy fantany hoe amin’ny fomba ahoana.” Nilaza i Jesosy avy eo fa maniry “amin’izao fotsiny”, na maniry ho azy ilay izy.c

      16 Inona no tian’i Jesosy hasongadina? Nasehony fa mitombo miandalana ilay voa. “Mamokatra tsikelikely amin’izao fotsiny ny tany: Voalohany, ny raviny toy ny ravin’ahitra, avy eo ny salohy, ary farany ny voa eo amin’ny salohy.” (Marka 4:28) Misy ambaratongany àry ilay fitomboana. Tsy azo terena na hafainganina izy io. Toy izany koa ny fandrosoan’ireo olona lasa mpianatra. Avelan’i Jehovah hitombo ao am-pon’ireo manana toe-po tsara ny fahamarinana, ary mandeha miandalana izany.—Asa. 13:48; Heb. 6:1.

      17. Iza avy no faly rehefa mamoa ny voan’ny fahamarinana?

      17 Inona no valisoa azon’ny mpamafy, “raha vantany vao azo jinjaina ny vokatra”? Ampitomboin’i Jehovah ao am-pon’ireo mpianatra, ny fahamarinana momba ilay Fanjakana. Mandroso àry izy ireo, ka manolo-tena ho an’Andriamanitra noho ny fitiavany azy. Atao batisa izy ireo avy eo, ho mariky ny fanoloran-tenany. Rehefa mihamatotra ireo rahalahy, dia mahazo andraikitra tsikelikely eo anivon’ny fiangonana. Mahazo valisoa àry ilay mpitory namafy voalohany. Faly koa ny mpitory hafa, na dia tsy izy ireo aza no namafy voa tamin’ilay mpianatra. (Vakio ny Jaona 4:36-38.) ‘Miara-miravoravo’ tokoa “ny mpamafy sy ny mpijinja.”

  • ‘Andriamanitra no Mampitombo’!
    Ny Tilikambo Fiambenana—2008 | 15 Jolay
    • b Nohazavain’ity gazety ity taloha, fa ilay voa dia ny toetran’ny olona, ka miankina amin’ny manodidina azy no hahatonga azy hihamatotra na tsia. Tsara homarihina anefa fa tsy miova ho voa ratsy na manome voankazo lo, ilay voa tao amin’ny fanoharan’i Jesosy. Mihamitombo fotsiny ilay izy.—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1980, pejy 17-19.

      c Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 12:10 ihany no ahitana an’io hevitra io, ankoatra ny eo. Voalaza ao fa nisokatra “ho azy” ilay vavahady vy.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara