-
HerodaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Azo lazaina àry hoe mety ho tamin’ny taona 1 T.K., na angamba teo am-piandohan’ny taona 1 A.K. mihitsy aza, i Heroda no maty. Samy milaza izany na ny fanisan-taonan’ny Baiboly, na ny fanazavana omen’ny manam-pahaizana momba ny kintana, na ny tantara.
-
-
HerodaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Lasa tena tian’i Tiberio Kaisara, ilay nandimby an’i Aogosto, i Antipasy. Nanorina zavatra maro toa an-drainy izy, saingy tsy tena nahavita ny vitan-drainy. Nanorina tanàna iray teo amoron’ny Farihin’i Genesareta (Ranomasin’i Galilia na Tiberiasy), ohatra, izy, ary nampitondrainy ny anaran’i Tiberiasy Mpanjaka ilay izy. (Jn 6:1, 23) Nanao tanàna iray hafa koa izy ary nampitondrainy ny anaran’i Jolia (Livie no tena fiantsoana azy), vadin’i Aogosto, ilay izy. Nanorina tanàna voaro mafy, lapa, ary kianja filalaovana tantara an-tsehatra koa izy.
-