-
AlinaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Fomba nizaran’ny Romanina azy. Nanahaka ny Grika sy Romanina ny Jiosy nozanahin’ny Romanina, ka nozarainy ho fotoam-piambenana efatra ny alina. Ireo fizarana efatra ireo no noresahin’i Jesosy tamin’ilay hoe: ‘Miambena hatrany, fa tsy fantatrareo hoe rahoviana no ho avy ny tompon-trano, na amin’ny takariva, na amin’ny misasakalina, na amin’ny maneno akoho, na vao maraina.’ (Mr 13:35) Ireto avy izany: Ny fiambenana “takariva” (filentehan’ny masoandro-9:00 alina eo ho eo); ny fiambenana faharoa na ny “misasakalina” (9:00 alina eo ho eo-misasakalina) (Lk 12:38); ny “maneno akoho” (misasakalina-3:00 maraina eo ho eo; mety ho tamin’io ilay akoho resahin’ny Marka 14:30 no naneno indroa. [Jereo MANENO AKOHO.]); ary ny fiambenana fahefatra na “vao maraina” (3:00 maraina-fiposahan’ny masoandro).—Mt 14:25; Mr 6:48.
-
-
Herin’AndriamanitraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nampiasaina tsara ny herin’Andriamanitra. Tsy nampiasa azy io mihitsy ho fisehosehoana fotsiny i Jesosy. Nisy heviny an’ohatra ny nanozonany an’ilay aviavy tsy namoa. (Mr 11:12-14; ampit. Mt 7:19, 20; 21:42, 43; Lk 13:6-9.) Tsy nety nampideradera ny heriny koa i Jesosy. Tsy nanaiky, ohatra, izy rehefa nasain’i Satana nitsambikina avy teny an-tampon’ny mandan’ny tempoly, satria toy ny hoe mamono tena izany. (Mt 4:5-7) Nandeha teny ambony rano anefa izy satria tsy nisy fitaterana tamin’izay sady efa alina. (Mr 6:45-50) Tsy nety nanao famantarana teo anoloan’i Heroda i Jesosy, satria te hahita fahagagana fotsiny i Heroda. (Lk 23:8) Tsy nety koa izy rehefa nangataka azy hampiseho “famantarana avy any an-danitra” ny Fariseo sy Sadoseo, izay nanana antony manosika ratsy. Tsy te hanatanjaka ny finoany ny Tenin’Andriamanitra mantsy izy ireo, fa te hampiseho kosa hoe tsy ilaina ny mino azy io.—Mt 16:1-4; ampit. 15:1-6; 22:23, 29.
-