FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Afo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Fandringanana. Ny afo no tena nampiasaina taloha rehefa nandringana na nandrava. (Js 6:24; De 13:16) Noharin’i Jesosy tamin’ny “afo” àry indraindray ny fandringanana ny ratsy fanahy. (Mt 13:40-42, 49, 50; ampit. Is 66:24; Mt 25:41.) Nampitandrina ny mpianany izy hoe tsy tokony havelan’izy ireo hahatonga azy hanota na ny tanany na ny tongony na ny masony, sao hatsipy any amin’ny Gehena izy ireo. Hoy izy avy eo: “Tsy maintsy hiraraka amin’ny rehetra ny afo, toy ny firaraky ny sira.” Te hilaza izy fa hiraraka amin’izay “rehetra” tsy manaraka an’io fampitandremany io ny ‘afon’ny’ Gehena, izany hoe ho ringana mandrakizay izy ireo.​—Mr 9:43-49; jereo GEHENA.

  • Tongotra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Tongotra “tsara tarehy.” “Tsara tarehy” no fahitan’i Jehovah ny tongotr’ireo mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Is 52:7; Ro 10:15) Nilazana ny Kristianina hoe: “Kiraroy fahavononana hitory ny vaovao tsaran’ny fihavanana ny tongotrareo.” (Ef 6:15) Ho afaka hitondra an’ilay vaovao tsara izy amin’izay. Nasain’i Jesosy nahintsan’ny mpianany ny vovoka tamin’ny tongotr’izy ireo, rehefa niala tao amin’ny trano na tanàna tsy nandray na tsy nihaino azy izy ireo. Midika izany fa navelan’izy ireo hizaka ny vokatry ny safidiny ny olona tao amin’ireo trano na tanàna ireo rehefa tonga ny fotoana amalian’Andriamanitra.​—Mt 10:14.

  • Gehena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Fandringanana mandrakizay. Fandringanana tanteraka vokatry ny fanamelohan’Andriamanitra no tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe Gehena. Tsy hitsangana intsony izay mankany. (Mt 10:28; Lk 12:4, 5) Antokon’olona ratsy fanahy ny mpanora-dalàna sy Fariseo ka “mendrika ny Gehena.” (Mt 23:13-15, 33) Raha tsy te ho ringana toa azy ireo ny mpianatr’i Jesosy, dia tsy maintsy manaisotra an’izay rehetra mety hahatonga azy hanota. Tsy maintsy ‘tapahiny ny tanany na ny tongony’ ary ‘esoriny ny masony’, izany hoe vonoiny ny faniriana hanota ao amin’ny rantsambatany.​—Mt 18:9; Mr 9:43-47; Kl 3:5; ampit. Mt 5:27-30.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara