FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Gehena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Tsy toerana fampijaliana mandrakizay. Nampifandraisin’i Jesosy Kristy ny hoe afo sy Gehena. (Mt 5:22; 18:9; Mr 9:47, 48) Nanao toy izany koa i Jakoba mpianany, izay hany mpanoratra Baiboly nampiasa ny hoe Gehena, ankoatra an’i Matio sy Marka ary Lioka. (Jk 3:6) Misy mpivaofy teny milaza fa toerana fampijaliana mandrakizay ilay Gehena mirehitra noresahin’i Jesosy, satria misy ifandraisany amin’ny fandoroana olona ho sorona talohan’ny andron’i Josia Mpanjaka, hono. Maharikoriko an’i Jehovah anefa io fanaon’ny mpanompo sampy io, ka ‘tsy nandidy ny hanaovana izany izy ary tsy tao an-tsainy akory aza izany.’ (Je 7:31; 32:35) Sarotra inoana àry ny hoe avy amin’io fanao io no nahatonga an’ilay Zanak’Andriamanitra hampiasa ny hoe Gehena, rehefa niresaka momba ny didim-pitsaran’Andriamanitra izy. Naminany koa Andriamanitra fa ho lasa toerana fanariana fatim-bahoaka ny Lohasahan’i Hinoma, fa tsy ho toerana fampijaliana olona velona. (Je 7:32, 33; 19:2, 6, 7, 10, 11) Eken’ny maro àry fa ny Lohasahan’i Hinoma ilay “lemaka iva fanariana faty sy lavenona feno menaka” resahin’ny Jeremia 31:40. Ny vavahady teo amin’ny farany atsinanan’ilay lohasaha, teo amin’ny fihaonan’ilay lohasaha sy ny hantsan’i Kidrona, kosa ilay “Vavahadin’ny Antontan-davenona.”​—Ne 3:13, 14.

      Mitovitovy amin’ny fanazavan’ny Baiboly ny teny hoe Gehena ny fanazavan’ireo raby sy ny loharanon-kevitra hafa. Toerana fanariam-pakon’i Jerosalema, hoy izy ireo, ny Lohasahan’i Hinoma. (“Fako miavosa” no nandikan’ny Ph ny hoe geenna ao amin’ny Mt 5:30.) Hoy i David Kimhi (1160?-1235?), Jiosy mpivaofy teny, momba ny tantaran’i “Gehinnôm”, tamin’izy nanazava ny Salamo 27:13: “Teo akaikin’i Jerosalema izy io, ary toerana naharikoriko, fanariana zavatra maloto sy faty. Nisy afo nirehitra foana tao mba handoroana ny zavatra maloto sy ny taolam-paty. Nampiasaina hilazana an’ohatra ny fanamelohana ny ratsy fanahy àry ny hoe Gehinnôm.”

  • Gehena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Toa niresaka momba ny voalazan’ny Isaia 66:24 koa i Jesosy rehefa niteny fa ‘tsy maty ny olitra amin’ny faty, ary tsy mety maty ny afo’ any amin’ny Gehena. (Mr 9:47, 48) Tsy fampijaliana no resahina eo fa fandringanana tanteraka, satria tsy olona velona no noresahin’i Isaia fa ‘ny fatin’ireo olona nandika ny lalàn’Andriamanitra.’ Raha fako sy fatin’olona tokoa no nariana tao amin’ny Lohasahan’i Hinoma, araka ny efa voaporofo, dia afo ihany no nahafahana nandevona an’ireny. Nampiana solifara (ampit. Is 30:33) angamba ilay afo mba hidedadeda. Nohanin’ny kankana sy olitra kosa izay tsy levon’ny afo. Te hilaza àry i Jesosy fa rehefa aringana ireo nomelohin’Andriamanitra dia haringana tanteraka.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara