-
Nahoana Ianao no Tokony Hanokan-tena sy Hatao Batisa?Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
2. Inona no fitahiana omen’i Jehovah an’ireo Vavolombelony vita batisa?
Lasa anisan’ny fianakavian’i Jehovah ianao rehefa vita batisa. Ho tsapanao hoe be dia be ny fomba hampisehoany ny fitiavany anao, ka vao mainka ianao ho akaiky azy. (Vakio ny Malakia 3:16-18.) Ho lasa Rainao i Jehovah. Hahazo rahalahy sy anabavy eran-tany koa ianao, ary tia an’i Jehovah ry zareo sady tia anao. (Vakio ny Marka 10:29, 30.) Misy zavatra mila ataonao anefa aloha, izay ianao vao azo atao batisa. Mila mianatra momba an’i Jehovah sy tia azy ary mino ny Zanany ianao. Farany, dia mila manokana ny fiainanao ho an’i Jehovah ianao. Raha manao an’ireo ianao ary atao batisa avy eo, dia ho afaka hankafy fiainana foana mandrakizay. Milaza ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Mamonjy anareo ny batisa.”—1 Petera 3:21.
-
-
Ho Vitanao ny Hiaritra FanenjehanaAnkafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
Fantatr’i Jesosy tsara hoe mety tsy ho faly ny fianakaviantsika rehefa manapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah isika. Vakio ny Matio 10:34-36, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Inona no mety hitranga rehefa manapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah ny olona iray?
Hijery ohatra iray amin’izany isika. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Inona no hataonao raha misy namana na fianakaviana manakana anao tsy hanompo an’i Jehovah?
Vakio ny Salamo 27:10 sy ny Marka 10:29, 30. Isaky ny avy mamaky andinin-teny iray, dia iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Nahoana io fampanantenana io no mety hanampy anao raha misy namana na fianakaviana manohitra anao?
-