FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Vato Fehizoro
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Milaza ny Salamo 118:22 fa ho lasa “vato fehizoro” fametraka eny an-tampon’ny rindrina (heb.: rôʼsh pinnah) ilay vato nolavin’ny mpanao trano. Namerina an’io faminaniana io i Jesosy ka nilaza fa ny tenany no “vato fehizoro lehibe indrindra” (gr.: kefale gônias, vato fehizoro). (Mt 21:42; Mr 12:10, 11; Lk 20:17) Ny vato fehizoro natao teo an-tampon’ny rindrina no nisongadina teo amin’ny trano iray. I Jesosy Kristy koa no vato ambony indrindra amin’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra oharina amin’ny tempoly ara-panahy. Nilaza koa i Petera fa tanteraka amin’i Kristy ny Salamo 118:22. I Kristy, hoy izy, ilay “vato” nolavin’ny olona nefa nofidin’Andriamanitra ho “vato fehizoro.”​—As 4:8-12; jereo koa 1Pe 2:4-7.

  • Fanoharana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Mety ho vato (Oh 24:30, 31) na zavamaniry (Is 5:5) ny fefin’ilay tanimboaloboka. Matetika no vatolampy nolavahana no natao famiazam-boaloboka. Nasiana ambony sy ambany ilay lavaka ka nikoriana nankao ambany ny ranom-boaloboka. Nanangana tilikambo teo akaiky ilay tompony, ary nasiany mpiambina tao mba handroaka ny mpangalatra sy ny biby. Nahazo anjara tamin’ny voaloboka ny mpamboly indraindray. Nisy kosa mpamboly nanofa tanimboaloboka ary naloany vola tamin’ilay tompony ny hofany, na nifanarahan’izy roa tonta fa homena ampahany amin’ny vokatra ilay tompony, toy ilay tao amin’ny fanoharana. Novonoin’ireo mpamboly ilay zanakalahy mpandova satria te haka an’ilay tanimboaloboka izy ireo. Lasa tany an-tany hafa koa mantsy ilay tompony. “Ny taranak’Israely no tanimboalobok’i Jehovah”, hoy ny Isaia 5:1-7. Namerina ny voalazan’ny Salamo 118:22, 23 i Jesosy, mba hanazavana an’ilay fanoharana.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara