FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Aoka ny Mpamaky Hampiasa Fahaiza-manavaka”
    Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 1 Mey
    • 18, 19. Inona avy ireo antony omena mba hampisehoana fa tsy hidika ho fiovana fivavahana akory ny ‘fandosirana ho any an-tendrombohitra’?

      18 Rehefa avy nilaza mialoha ny amin’ny ‘fitsanganan’ilay fahavetavetana ao amin’ny fitoerana masina’ i Jesosy, dia nampitandrina ireo olona mahay manavaka mba hanao zavatra. Te hilaza ve izy fa amin’io fotoana efa diso aoriana io, izay ‘hitsanganan’ilay fahavetavetana ao amin’ny fitoerana masina’, dia hisy olona maro handositra avy ao amin’ny fivavahan-diso ka hiandany amin’ny fivavahana marina? Tsy izany velively. Diniho ny amin’ilay fahatanterahana voalohany. Hoy i Jesosy: “Aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia. Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony. Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany. Ary lozan’ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany! Fa mivavaha hianareo mba tsy ho amin’ny ririnina izany.” — Marka 13:14-18, izahay no manao sora-mandry.

  • “Aoka ny Mpamaky Hampiasa Fahaiza-manavaka”
    Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 1 Mey
    • 22. Mety hahafaoka inona ny fampiharantsika ilay torohevitr’i Jesosy ny amin’ny tokony handosirana any an-tendrombohitra?

      22 Tsy afaka hahazo ny tsipiriany feno momba ny fahoriana lehibe isika amin’izao fotoana izao. Azontsika atao anefa ny manao fanatsoahan-kevitra araka ny lôjika fa ho antsika, dia tsy ho fandosirana ho any amin’ny faritra ara-bakiteny iray akory ilay fandosirana noresahin’i Jesosy. Efa manerana ny tany ny vahoakan’Andriamanitra, saika eran’ny vazan-tany efatra. Azontsika antoka anefa fa rehefa hilaina ny mandositra, dia tsy maintsy hanohy hihazona ny tenany hiavaka tsara amin’ireo fikambanana ara-pivavahan-diso, ny Kristianina. Misy heviny koa ny nanomezan’i Jesosy fampitandremana ny amin’ny tsy tokony handehanana hiverina any an-tranon’ny tena mba haka akanjo na zavatra hafa. (Matio 24:17, 18). Mety hisy fitsapana àry amin’ny hoavy, mahakasika ny fomba fiheverantsika ny zavatra ara-nofo; izy ireny ve no zava-dehibe indrindra, sa kosa mbola zava-dehibe kokoa ilay famonjena ho azon’izay rehetra miandany amin’Andriamanitra? Eny, mety hahafaoka zava-tsarotra sy fihafiana sasany ny fandosirantsika. Tsy maintsy mivonona hanao izay rehetra takin’izany isika, toy ny nataon’ireo mifanitsy amintsika tamin’ny taonjato voalohany, izay nandositra avy tao Jodia ka nankany Pere any andafin’i Jordana.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara