FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Na Efa Maty Aza Izy dia Mbola Miteny Ihany”
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
    • 5. Inona ilay hoe “izao tontolo izao” nolazain’i Jesosy? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

      5 Telo fotsiny ny olona teto an-tany tamin’i Abela teraka, ary izy no fahefatra. Nilaza i Jesosy fa tamin’ny “nanorenana izao tontolo izao” no nisy i Abela. (Vakio ny Lioka 11:50, 51.) Inona ilay “izao tontolo izao” eo? Ny olona rehetra azo avotana ho afaka amin’ny fahotana. I Abela no voalohany amin’izany, satria efa hitan’Andriamanitra hoe tsy avotra intsony i Adama sy Eva ary Kaina.a Tsy mba nisy olona tsara toetra azon’i Abela notahafina mihitsy àry tamin’izy mbola kely.

  • “Na Efa Maty Aza Izy dia Mbola Miteny Ihany”
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
    • a Oviana ilay fotoana “nanorenana izao tontolo izao”? Avy amin’ny teny grika midika ara-bakiteny hoe “mandatsaka voa” ilay teny hoe “nanorenana”, fa ny tena heviny dia hoe manome taranaka. Ny fotoana nisian’ny taranak’olombelona voalohany àry no tiana holazaina eo. Nahoana anefa i Jesosy no nanonona an’i Abela fa tsy i Kaina, nefa i Kaina no taranak’olombelona voalohany indrindra? Nanao fanahy iniana nikomy tamin’i Jehovah i Kaina. Tsy mendrika ny havotana sy hatsangana amin’ny maty àry izy, toy ny ray aman-dreniny ihany.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara