-
Fanjakan’AndriamanitraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Naharesy an’izao tontolo izao. Mpanjaka i Jesosy nefa toa nihena ny fahefany rehefa nosamborina sy notsaraina ary novonoina izy. Tsy izany anefa no izy, satria izany indrindra aza no fomba nahatanterahan’ny faminanian’Andriamanitra, ary izany koa no antony namelan’Andriamanitra an’ilay izy hitranga. (Jn 19:10, 11; Lk 24:19-27, 44) Tsy nivadika mandra-pahafatiny i Jesosy, ka porofo izany fa ‘tsy nanana fahefana taminy’ i Satana, “ilay mpitondra an’izao tontolo izao” sady Fahavalon’Andriamanitra. Voaporofo àry fa “naharesy an’izao tontolo izao” izy. (Jn 14:29-31; 16:33) Na mbola teo amin’ny hazo fijaliana aza ny Zanany, dia nasehon’i Jehovah fa izy no mahery indrindra, satria navadiny ho haizina ny hazavan’ny masoandro, ary nampisy horohoron-tany mahery vaika izy, sady nataony triatra nizara roa ilay ridao lehibe tao amin’ny tempoly. (Mt 27:51-54; Lk 23:44, 45) Vao mainka nasehony ny maha Tompo Fara Tampony azy, telo andro taorian’izay, rehefa natsangany ho zavaboary tsy hita maso ny Zanany, na dia nezahin’ny fahavalo nosakanana aza ny fitsanganany. Nataon’izy ireo tsara ambina mantsy ny fasan’i Jesosy sady nasiany tombo-kase.—Mt 28:1-7.
-
-
Herin’AndriamanitraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nitondra fanafahana. Niady tamin’ny miaramila natanjaka ny Israely. Mahery kokoa noho ny miaramila olombelona anefa ireo fahavalo resin’ny Zanak’Andriamanitra noho ny hery nomen’Andriamanitra azy. I Jesosy no Mpanafaka ny olona (Lk 1:69-74) tamin’i Satana sy ny demoniany, izay tena tompon’andraikitra amin’ny fahorian’ny olona. (He 2:14, 15) Nanafaka olona maro nampijalin’ny demonia izy. (Lk 4:33-36) Nanafaka an’ireo te hiala tamin’ny fivavahan-diso, izay nanandevo sy nampitondra enta-mavesatra ny olona, koa ny fahamarinana notoriny. (Mt 23:4; Lk 4:18; Jn 8:31, 32) Tsy nivadika i Jesosy ka “izao tontolo izao” mihitsy no resiny fa tsy hoe tanàna na fanjakana fotsiny.—Jn 14:30; 16:33.
-