-
“Iza no Mendrika Hanokatra ny Horonam-boky?”Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
7. Nahoana i Jesosy no mendrika handray ilay horonam-boky avy eny an-tanan’Ilay mipetraka eo ambony seza fiandrianana?
7 I Jesosy, olombelona lavorary, no tena tsy nivadika mihitsy tamin’i Jehovah tao anatin’ny fitsapana mahamay. Nanome porofo tsy azo lavina izy fa diso ny fiampangan’i Satana. (Ohabolana 27:11) Afaka niteny àry izy, ny alina talohan’ny nahafatesany, hoe: “Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.” (Jaona 16:33) Izany no antony nanomezan’i Jehovah “ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany” an’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty. Izy ihany no mpanompon’Andriamanitra mahafeno fepetra handray ilay horonam-boky, mba hampahafantarana ny hafatra lehibe ao anatiny.—Matio 28:18.
-
-
“Iza no Mendrika Hanokatra ny Horonam-boky?”Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
11. Nahoana no tsy manambany ny firesahana an’i Jesosy nomem-boninahitra hoe “zanak’ondry”, izay “toy ny efa novonoina ho faty”?
11 Manambany na tsy mendrika ve ny miresaka an’i Jesosy nomem-boninahitra hoe “zanak’ondry”, izay “toy ny efa novonoina ho faty”? Tsy izany mihitsy! Tena resy i Satana, satria tsy nivadika hatramin’ny fahafatesana i Jesosy, ary tena nandresy i Jehovah Andriamanitra! Ny firesahana an’i Jesosy hoe “toy ny efa novonoina ho faty” àry dia manasongadina fa resiny ny tontolon’i Satana. Mampahatsiahy antsika koa izany fa tena tia antsika olombelona i Jehovah sy Jesosy. (Jaona 3:16; 15:13; ampitahao amin’ny Kolosianina 2:15.) I Jesosy tokoa no Taranaka nampanantenaina, ka tena mahafeno fepetra hanokatra ilay horonam-boky.—Genesisy 3:15.
-