FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Kaisara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Tsy nisy afaka nanjaka nanerana ny Fanjakana Romanina raha tsy nahazo alalana tamin’i Kaisara. Tena tian’i Pilato ho fantatra àry raha mpanjaka tokoa i Jesosy. (Mt 27:11; Mr 15:2; Lk 23:3; Jn 18:33-37) Hitany hoe tsy meloka i Jesosy ka tiany hafahana. Hoy anefa ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy: “Tsy naman’i Kaisara ianao raha hafahanao io, satria izay manao ny tenany ho mpanjaka dia manohitra an’i Kaisara.” (Jn 19:12) Anaram-boninahitra nomena governoram-paritra matetika ny hoe “naman’i Kaisara.” Te hilaza anefa ireo Jiosy ireo hoe hampangain’izy ireo ho mamadika an’i Kaisara i Pilato raha manafaka an’i Jesosy. Natahotra an’ilay mpanjaka be fialonana àry i Pilato ka nanameloka ho faty olona tsy nanan-tsiny. Ireo mpisorona kosa niantsoantso mafy hoe: “Tsy manana mpanjaka ankoatra an’i Kaisara izahay.” Nolavin’izy ireo àry ny fitondran’Andriamanitra. (Jn 19:13-16; ampit. Is 9:6, 7; 33:22.) Nasain’izy ireo novan’i Pilato ilay soratra hoe “Mpanjakan’ny Jiosy” teo amin’ny hazo fijalian’i Jesosy, fa tsy nety i Pilato. (Jn 19:19-22) Fanaon’ny Romanina mantsy ny nanisy soratra momba ny heloka nanamelohana an’izay novonoina.

  • Lapan’ny Governora
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • LAPAN’NY GOVERNORA

      Ilazana ny fonenan’ny governora romanina ny teny grika hoe praitôriôn (lat.: praetorium). Tao an-dapan’ny governora tao Jerosalema i Pontio Pilato no nanadihady an’i Kristy Jesosy, ary tao an-tokotaniny ny miaramila romanina no naneso azy. (Mr 15:16; Jn 18:28, 33; 19:9) Ny Tilikambon’i Antonia, hono, io lapa io. Ny hafa indray milaza fa ilay lapa naorin’i Heroda Lehibe izy io satria, hono, 1) nantsoina hoe “tranon’ireo governora” ny lapan’i Heroda, ary nisy ampinga nahanton’i Pilato Governora tao ho fanomezam-boninahitra an’i Tiberio Kaisara, hoy i Philon filozofa jiosy tamin’ny taonjato voalohany (Fanazavana Amin’i Caius ny Asan’ny Ambasadaoro, XXXIX, 306); 2) tao no nipetraka i Gessius Florus Governora, hoy i Josèphe, Jiosy mpahay tantara (Ny Adin’ny Jiosy, II, 301 [xiv, 8]); ary 3) tao amin’ny lapan’i Heroda ny governora no nipetraka tao Kaisaria.​—As 23:33-35.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara