FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Nahita ny Tompo Aho!”
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
    • Toa i Maria no tonga voalohany teny amin’ilay fasana. Taitra be izy rehefa tonga teny, dia nijanona tampoka. Fa naninona? Efa nisy nanala ilay vato be teo amin’ilay fasana, dia efa tsy tao intsony ny fatin’i Jesosy! Tonga i Maria dia nihazakazaka be niverina, dia notantarainy tamin’i Petera sy Jaona ilay izy. I Maria rahateo tsy mba niandriandry izany mihitsy rehefa nisy zavatra nila natao. Eritrereto ange e! Ilay izy mbola sempotra avy nihazakazaka iny no niteny hoe: “Nisy naka tao am-pasana ny Tompo, ary tsy fantatray izay nametrahany azy.” Vao naheno an’izay i Petera sy Jaona dia nihazakazaka nankeny am-pasana, dia nahita hoe tena marina ny tenin’i Maria. Nandeha nody ry zareo avy eo.a—Jaona 20:1-10.

  • “Nahita ny Tompo Aho!”
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
    • a Nisy anjely niseho tao anatin’ilay fasana, dia nanazava hoe efa natsangana i Kristy. Izay vehivavy tavela teo no naheno an’ilay izy, fa i Maria efa lasa matoa izy tsy nitantara tamin’i Petera sy Jaona hoe nahita anjely. Nitantara fotsiny izy hoe efa tsy tao am-pasana intsony ny fatin’i Jesosy.—Matio 28:2-4; Marka 16:1-8.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara