FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Horonam-boky
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Nofaranan’i Jaona toy izao ny Filazantsarany: “Misy zavatra maro hafa koa nataon’i Jesosy, ary raha nosoratana tamin’ny an-tsipiriany daholo izy ireny, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny horonam-boky voasoratra.” (Jn 21:25) Izay tena nilaina ihany no nosoratany mba hanasongadinana fa i Jesosy Kristy no Zanak’Andriamanitra sady Mesia. Efa ampy tokoa ny voalazan’ny ‘horonam-bokin’i’ Jaona sy ny boky hafa ao amin’ny Baiboly, mba hanomezana porofo mampiaiky fa “i Jesosy no Kristy Zanak’Andriamanitra.”​—Jn 20:30, 31.

  • Izao Tontolo Izao
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Nilaza i Jaona ao amin’ny Filazantsarany fa raha nosoratana tamin’ny an-tsipiriany daholo ny zavatra nataon’i Jesosy, dia “na izao tontolo izao [endriny hafa amin’ny hoe kôsmôs] aza tsy ho omby ny horonam-boky voasoratra.” (Jn 21:25) Tsy ity planeta ity akory no tsy ho omby an’ireo horonam-boky ireo, satria tsy nampiasa ny teny hoe ge (tany) na ôikomene (tany onenana) izy. Kôsmôs kosa no nampiasainy, satria te hilaza izy fa tsy nanana tranomboky antonona horonam-boky maro be toy izany ny olona velona tamin’izany. Ampitahao koa amin’ny Jaona 7:4; 12:19, izay mampiasa ny teny hoe kôsmôs amin’ny heviny hoe olombelona.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara