FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Loharano
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Matetika izy io no rano miboiboika avy ao anaty tany (Ek 15:27), fa tsy toy ny lavadrano sy ny lavaka fanangonan-drano izay nohadin’olombelona. (Ge 26:15) Ampiasaina mba hilazana izay niavian’ny zavatra iray koa ny hoe loharano. Teny hebreo roa no nadika hoe “loharano”: ʽAyin (a.b.t.: maso) sy maʽyan izay teny iray tarika aminy. Pege no teny grika mifanitsy amin’ireo teny hebreo ireo. Diovina sy atao lalina kokoa ny loharano indraindray, ka lasa mety daholo izay iantsoana azy na “loharano” na “lavadrano.”​—Ge 16:7, 14; 24:11, 13; Jn 4:6, 12; jereo LAVADRANO; LAVAKA FANANGONAN-DRANO.

  • Jakoba, Fantsakan’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Tsy milaza mivantana ny Baiboly hoe i Jakoba no nandavaka an’ilay lavadrano. Voalaza ao kosa anefa fa nanana tany teo akaiky teo izy. (Ge 33:18-20; Js 24:32; Jn 4:5) Nilaza tamin’i Jesosy ilay vehivavy samaritanina hoe: “I Jakoba ... nanome anay ity lavadrano ity, sady izy sy ny zanany ary ny biby fiompiny no nisotro teto.” (Jn 4:12) Toa i Jakoba àry no nandavaka an’ilay lavadrano, na naniraka olona hanao izany. Tsy tiany hijaly rano angamba ny ankohonany sy ireo biby fiompiny maro be. Nisoroka olana àry izany, satria azo antoka fa efa an’ny tompon-tany ny fantsakana nanodidina teo. Mety hoe nila fantsakana afaka namatsy rano betsaka kokoa sy maharitra kokoa izy, rehefa ritra ny lavadrano hafa teo amin’ilay faritra.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara