FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ampitomboy ny fiadananao amin’ny alalan’ny fahalalana marina
    Ny Tilikambo Fiambenana—1987 | 15 Jolay
    • 6. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tena ny zava-dehibe indrindra teo imasony ny asa fitoriana?

      6 Mba hahazoana fahalalana marina an’i Kristy, dia ilaina ny manana ny “sain’i Kristy” sy manahaka azy (I Korintiana 2:16). Jesosy dia nitory ny fahamarinana tamin-kafanam-po (Jaona 18:37). Tsy voasakan’ny fitompoan-teny fantatra ara-tsosialy ny toe-tsainy mahery tia fitoriana. Raha nankahala ny Samaritana ny Jiosy hafa, izy kosa dia nanao fanambarana tamin’ny vehivavy Samaritana iray teo akaikin’ny fantsakana iray. Ary na dia ny firesahana ampahibemaso fotsiny amin’ny vehivavy iray aza dia nety ho noheverina fa ratsya. Jesosy anefa dia tsy namela fihetseham-po avy amin’ny fiaviana ara-tsosialy hanakana azy amin’ny fitoriany. Manatanjaka ny asan’Andriamanitra. Izao no nolazainy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.” Ny fifaliana nentin’ny fandraisan’ny olona tsara, tahaka ny an’ilay vehivavy Samaritana sy ny mponina maro hafa tao an-tanàna dia nanome hery azy, toy ny ho nataon’ny sakafo. — Jaona 4:4-42; 8:48.

  • Ampitomboy ny fiadananao amin’ny alalan’ny fahalalana marina
    Ny Tilikambo Fiambenana—1987 | 15 Jolay
    • a Araka ny Talmoda tamin’ny andro fahiny, ireo raby dia nanoro hevitra ireo nahita fianarana mba “tsy hiresaka amin’ny vehivavy eny an-dalana”. Raha mbola narahina tamin’ny andron’i Jesosy io fomba fanao io, dia izany angamba no nahatonga ny mpianany ho “gaga, satria vehivavy no niresahany”. — Jaona 4:27.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara