FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Andro Fitsarana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Tsy voatery ho fanamelohana foana. Matetika no midika ho fanamelohana ny teny hoe “fitsarana” (gr.: krisis sy krima) ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Ampifanoherin’ny Jaona 5:24, 29 amin’ny “fiainana” sy “fiainana mandrakizay” izy io, ka midika hoe fanamelohana ho faty. (2Pe 2:9; 3:7; Jn 3:18, 19) Tsy izay voaheloka rehetra anefa no haringana. Mampiseho izany ny tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 11:27-32 momba ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Mety hihinana sy hisotro “fanamelohana ho an’ny tenany” ny olona iray tsy mandinika tsara ny ataony. Hoy i Paoly avy eo: “Rehefa tsaraina ... isika, dia faizin’i Jehovah, mba tsy homelohina miaraka amin’izao tontolo izao.” Mety ho voaheloka àry ny olona iray nefa raha mibebaka izy dia tsy ho ringana mandrakizay.

  • Fitsanganana Amin’ny Maty
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Fitsanganana ho amin’ny fiainana sy ny fanamelohana. Nanome toky i Jesosy hoe: “Ho avy ny fotoana, eny, tonga ankehitriny ny fotoana handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, ary ho velona izay nihaino. ... Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo. Koa izay nanao ny tsara dia hatsangana ho amin’ny fiainana, fa izay zatra nanao ratsy kosa hatsangana ho amin’ny fanamelohana.”​—Jn 5:25-29.

      Ho amin’ny fanamelohana. Nadika avy amin’ny teny grika hoe krisis ilay teny hoe “fanamelohana.” Ireto avy no nolazain’i Parkhurst fa hevitr’io teny io ao amin’ny Soratra Grika Kristianina: “I. Fitsarana.... II. Fitsarana, rariny. Mat. 23:23. Ampit. 12:20. ... III. Fanamelohana, fahaverezana. Mar. 3:29. Jaona 5:24, 29. ... IV. Antony anamelohana na anasaziana. Jaona 3:19. V. Fitsarana nandamina ny adin’ny Jiosy, ... Mat. 5:21, 22.”​—Diksionera Grika-Anglisy ho An’ny Testamenta Vaovao, Londres, 1845, p. 342.

      Misy Baiboly mandika an’ilay ‘fitsanganana ho amin’ny fanamelohana’ amin’ny hoe “fitsanganana ho fitsarana” (Prot., f.a.p.). Tsy hifanohitra amin’ilay hoe “hatsangana ho amin’ny fiainana” anefa izany, raha hahazo fiainana ilay olona tsaraina. Marina kokoa àry ilay dikan-teny hoe “fanamelohana” satria izay no tian’i Jesosy holazaina, rehefa jerena ny teny manodidina.

      Ireo “maty” nandre ny feon’i Jesosy. Nilaza i Jesosy tamin’izy teto an-tany fa nisy “maty” nandre ny feony. Nilaza teny mitovitovy amin’izany koa i Petera hoe: “Noho izao indrindra no nitoriana ny vaovao tsara tamin’ireo maty: Mba hotsaraina amin’ny nofo izy ireo, araka ny fomba fihevitr’olombelona, fa ho velona kosa amin’ny fanahy, araka ny fomba fihevitr’Andriamanitra.” (1Pe 4:6) ‘Maty tao amin’ny helony sy ny fahotany’ ireo olona ireo talohan’ny nandrenesany an’i Kristy, fa lasa “velona” kosa rehefa nino ny vaovao tsara.​—Ef 2:1; ampit. Mt 8:22; 1Ti 5:6.

      Miresaka momba ny faran’ny fotoam-pitsarana ny Jaona 5:29. Manampy antsika hahalala ny fotoana hitrangan’ilay ‘fitsanganana ho amin’ny fiainana sy fitsanganana ho amin’ny fanamelohana’ ny tenin’i Jesosy eo aloha kokoa. Niresaka momba an’ireo olona velona nefa maty ara-panahy mantsy izy (hazavaina eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana”), manao hoe: “Ho avy ny fotoana, eny, tonga ankehitriny ny fotoana handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, ary ho velona izay nihaino.” (Jn 5:25) Sady nandre ny feon’i Jesosy ireo olona ireo no “nihaino” azy koa, izany hoe nanaraka ny teniny. Matetika no midika hoe “mankatò” ny hoe “mihaino” na “mandre” ao amin’ny Baiboly. (Jereo FANKATOAVANA.) Ho velona izay mankatò. (Ampitahao amin’ny nampiasana ny teny grika hoe akoô midika hoe “mihaino na mandre”, ao amin’ny Jn 6:60; 8:43, 47; 10:3, 27.) Tsy izay nataon’izy ireo talohan’ny nandrenesany an’i Jesosy àry no hitsarana azy, fa izay ataony aorian’izay.

      Azo inoana fa mitovitovy amin’izany no tian’i Jesosy holazaina rehefa niresaka ny amin’ireo “nanao ny tsara” sy “zatra nanao ratsy” izy. Mbola homena fotoana mantsy ireo hatsangana amin’ny maty mba hahitana raha hankatò an’izay ‘voasoratra ao amin’ireo horonam-boky’ izy ireo na tsia. Izay hataon’izy ireo aorian’izay no hitsarana azy. Rehefa mifarana àry ny fotoam-pitsarana vao ho hita hoe iza no nanao tsara na nanao ratsy. Hahazo ny fiainana “izay nanao ny tsara” (araka izay ‘voasoratra ao amin’ireo horonam-boky’), fa homelohina kosa “izay zatra nanao ratsy.” Izany no hevitr’ilay hoe hatsangana ho amin’ny fiainana na ho amin’ny fanamelohana.

      Tsy mahalana ny Baiboly no milaza zavatra mbola ho avy ho toy ny efa nitranga. “Manambara hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany” mantsy Andriamanitra, “sy manambara hatry ny ela ny zavatra mbola tsy natao.” (Is 46:10) Nilaza zavatra mbola ho avy ho toy ny efa nitranga koa ny mpaminany sasany. (Ampit. Is 40:1, 2; 46:1; Je 48:1-4.) Nanao toy izany koa i Joda. Hoy izy momba ireo ratsy fanahy nitsofoka mangingina teo anivon’ny fiangonana: “Lozan’ireny, fa nandeha tamin’ny lalan’i Kaina izy, niolomay hanaraka ny lalan-dison’i Balama mba hahazoana karama, ary efa matin’ny [a.b.t.: nandringana ny tenany tamin’ny] teny fikomian’i Kora!”​—Jd 11.

      Samy hafa àry ny hevitry ny Jaona 5:29 sy ny Asan’ny Apostoly 24:15. Ireo nanao ny “marina” na “ny tsy marina” teo anatrehan’Andriamanitra fony fahavelon’izy ireo no noresahin’i Paoly fa hatsangana amin’ny maty. Ao amin’ny “fasana atao ho fahatsiarovana” izy ireo. (Jn 5:28, f.a.p.; jereo FASANA.) Ny Jaona 5:29 kosa miresaka momba an’izay hataon’ireo olona ireo aorian’ny hananganana azy sy mandritra ny fanjakan’i Jesosy Kristy sy ireo mpanjaka sy mpisorona hiaraka aminy. Hahazo ny “fiainana” ho valisoany izy ireo raha mankatò, fa ‘homelohin’Andriamanitra’ kosa raha tsy mankatò.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara