FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Sikidy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • “Fanahin’ny pitôna.” Tamin’i Paoly nankany Filipy tany Makedonia no nifanena tamin’ny mpanompovavy iray nisy “fanahy ratsy, izany hoe nisy demonia mpilaza ny hoavy”, midika ara-bakiteny hoe “fanahin’ny pitôna” (gr.: pneoma pytôna; As 16:16). “Pitôna” no anaran’ilay bibilava resahin’ny angano fa niambina ny tempoly sy ny toerana masina tao Delphes, any Gresy. Lasa nantsoina hoe pytôn izay olona nahalala mialoha ny hoavy na ilay fanahy niteny tamin’ny alalany. Nilazana olona mahay miteny toy ny avy any an-kibo izy io tatỳ aoriana. Demonia nanampy ankizivavy haminany kosa izy io ao amin’ny Asan’ny Apostoly.

  • Gresy, Grika
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Mpanelanelana amin’andriamanitra, fanandroana, ary toerana masina. Maro no nanatona an’ireo nihambo ho mpanelanelana amin’andriamanitra sy nahafantatra zava-miafina. Tao amin’ny tempoly tao Délos sy Delphes ary Dodone ireo tena nalaza. Nahazo valin’ny fanontaniany ny olona nankany, rehefa nandoa vola. Matetika anefa no tsy nazava ilay valin-teny, ka tsy maintsy nohazavain’ny mpisorona. Nihambo ho nahay naminany ilay ankizivavy tany Filipy tany Makedonia, ka “nahazo tombony be avy tamin’izany ny tompony.” Nodidian’i Paoly hivoaka tamin’ilay ankizivavy anefa ilay demonia. (As 16:16-19) Milaza ny Profesora Ernest Wright fa avy tamin’ny Grika ny fanandroana ankehitriny, ary ny Grika kosa nandova izany tamin’ny mpisikidy babylonianina. (Ny Arkeolojia sy ny Baiboly, 1962, p. 37) Maro koa ny olona nankany amin’ny toerana masina nalaza ho nisy mpanasitrana.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara