FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Kapoka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Nikapoka tamin’ny hazo ny Romanina, ary nendahan’izy ireo aloha ny akanjo ivelan’ilay nokapohina. (As 16:22, 23) Rhabdizô ny teny grika nadika hoe ‘mikapoka amin’ny hazo’ (As 16:22), ary iray tarika amin’ny hoe rhabdôs (tsorakazo; tehina) izy io. (Ampit. 1Ko 4:21.) Iray tarika amin’ny hoe rhabdokôs (a.b.t.: mpitondra tsorakazo) nadika hoe “mpanefa baiko” (As 16:35, 38) kosa ireo teny grika roa ireo.

      Nampiasa karavasy koa ny Romanina. Natsotra ilay olona, ary toa nafatotra tamin’ny tady hoditra teo amin’ny tsato-kazo ny tanany. (As 22:25, 29) Ny mpitari-tafika no nibaiko hoe hatao impiry ny kapoka. Olona hofantsihana amin’ny hazo fijaliana matetika no nokaravasina. Niantsoantso mafy ny Jiosy hoe tokony hofantsihana i Jesosy. Nanaiky àry i Pilato ka nafahany ho azy ireo i Barabasy, ary ‘tamin’izay, dia nalainy i Jesosy ka nokaravasiny.’ (Jn 19:1; Mt 20:19) Indraindray nokaravasin’ny Romanina izay tiany ‘hofotopotorana’ mba hibaboka na hijoro ho vavolombelona. (As 22:24, 25) Mastigôô (Mt 10:17) sy mastizô (As 22:25) ny matoanteny grika nadika hoe ‘mikaravasy’ sy “mikapoka”, ary iray tarika amin’ny hoe mastiks, izay midika ara-bakiteny hoe ‘karavasina’ (As 22:24; He 11:36) sy manana heviny an’ohatra hoe ‘aretina mampijaly’ (Mr 3:10; 5:34). Tsy azo natao anefa ny nikapoka Romanina, araka ny Lalàna Valeria, raha nangataka ny hotsarain’ny vahoaka ilay olona, ary na tsy nangataka an’izany aza, araka ny Lalàna Porcia. Nivoaka teo anelanelan’ny 509 sy 195 T.K. ireo lalàna ireo.

  • Olom-pirenena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Zom-pirenena romanina. Nekena sy nohajaina nanerana ny fanjakan’i Roma ny zo niavaka nananan’ny olom-pirenena romanina sy ny zony hahazo fiarovana. Voararan’ny lalàna, ohatra, ny nampijalijaly na nikaravasy olom-pirenena romanina mba hanerena azy hibaboka, satria ny andevo, hono, no mendrika an’izany. Nirotahan’ny Jiosy i Paoly tao Jerosalema, ka novonjen’ny miaramila romanina. Tsy tonga izy dia nilaza hoe Romanina ny tenany. Rehefa hokapohina anefa izy, dia hoy izy tamin’ilay manamboninahitra nijoro teo: “Azonareo atao angaha ny mikapoka Romanina mbola tsy voaheloka?” “Dia nankany amin’ilay mpitari-tafika ilay manamboninahitra rehefa nandre izany, ka nilaza hoe: ‘Inona no kasainao hatao izao fa, hay, Romanina io lehilahy io?’” “Niala teo aminy ireo lehilahy saika hampijalijaly azy mandritra ny famotopotorana”, raha vao nahalala ny marina momba azy. “Ary natahotra ilay mpitari-tafika rehefa tena nahafantatra fa Romanina izy nefa nasainy nofatorana.”​—As 21:27-39; 22:25-29; jereo koa As 16:37-40.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara