-
Tsy mizaha tavan’olona AndriamanitraNy Tilikambo Fiambenana—1988 | 15 Aogositra
-
-
Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra
Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany”. — ASA. 10:34, 35.
1. Inona moa no fanambarana lehibe nataon’i Paoly momba ny niandohan’ireo firenena fony izy tany Atena?
“ANDRIAMANITRA, izay nanao izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy, no Tompon’ny lanitra sy ny tany, ary tsy monina ao amin’ny tempoly naorin’ny olona (...). Noforoniny avy amin’ny lehilahy iray ihany ny vahoaka rehetra ary notendreny ho eo amin’ny tany manontolo.” (Asa. 17:24-26, Français courant). Iza no nanonona ireo teny ireo? Ny apostoly Paoly, tamin’ilay lahateny nalaza nataony tao amin’ny Areopago, na havoan’i Aresy (Marsa), tany Atena.
2. Inona no mitondra loko sy zavatra mahafinaritra eo amin’ny fiainana, ary inona no nanaitra ny sain’ny Japone iray tamin’ny diany tany Afrika Atsimo?
2 Mety hampahatsiahy antsika ny zavatra maro karazana mahatalanjona hita eto an-tany io fanambarana io. Ny famoronan’i Jehovah tokoa dia mampahita antsika olona, biby, vorona, bibikely sy zavamaniry samy hafa. Ho matroka aoka izany ny fiainana raha ranoray ny zavaboary rehetra! fa manome loko sy manintona kosa ny fahamaroan-karazana. Araka izany, ny Japone iray nanatrika fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tatsy Afrika Atsimo dia talanjona noho ny firazanana sy ny volon-koditra maro karazana hitany tao. Nolazainy fa tsy mba toy izany any Japon izay ananan’ny ankamaroan’olona toetra mampiavaka ny fiaviana mitovy.
3. Ahoana no fiheveran’ny olona sasany izay tsy mitovy volon-koditra aminy, ka miteraka fihetseham-po inona avy izany?
3 Miteraka fahasahiranana lehibe matetika ny tsy fitoviam-bolon-koditra arakaraka ny firazanana. Olona maro no mihevitra ho ambany izay tsy mitovy volon-koditra aminy. Miteraka fahatezerana izany toe-tsaina izany ary indraindray aza miteraka fankahalana sy loza, dia ny fitompoan-teny fantatra ara-pirazanana. Izany ve no tian’ny Mpamorona? Misy firazanana ambony eo imasony ve? Mizaha tavan’olona ve Jehovah?
Mizaha tavan’olona ve ny Mpamorona antsika?
4-6. a) Raha ny amin’ny fizahan-tavan’olona, inona no nolazain’i Josafata mpanjaka momba an’i Jehovah? b) Nanamafy ny fanambaran’i Josafata ve Mosesy sy Paoly? d) Inona avy no fanontaniana mety hapetraky ny sasany?
4 Mahatonga antsika hahazo an-tsaina izay heverin’ny Mpamorona ny amin’ny olombelona ny Tantara. Josafata mpanjaka, izay nanjaka tany Joda tamin’ny 936 ka hatramin’ny 911 alohan’ny fanisan-taona iraisana dia nitondra fanatsarana betsaka tao amin’ilay tany; nanao fandaharana indrindra izy mba hahatonga ny fandehan-javatra ara-pitsarana niorina tamin’ny lalàn’Andriamanitra, hiasa tsara. Nanome ho an’ireo mpitsara izao torohevitra tsara dia tsara izao izy: “Tandremo izay hataonareo; fa tsy ho an’olona no hitsaranareo, fa ho an’i Jehovah (...); tandremo ka ataovy izany, fa tsy mba misy heloka amin’i Jehovah Andriamanitsika, na fizahan-tavan’olona.” — 2 Tantara 19:6, 7.
5 Taonjato maro talohan’izay, dia nilaza toy izao tamin’ireo fokon’ny Isiraely i Mosesy mpaminany; “Jehovah Andriamanitrareo (...) tsy mizaha tavan’olona.” (Deoteronomia 10:17). Izao kosa no nambaran’i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romana: “Fahoriana sy fahantrana ho an’ny fanahin’ny olona rehetra izay manao ratsy, amin’ny Jiosy aloha, dia vao amin’ny jentilisa koa (...). Fa tsy misy fizahan-tavan’olona amin’Andriamanitra.” — Romana 2:9-11.
6 Na dia ao aza izany rehetra izany, dia mety hanontany toy izao ny sasany: ‘Ary ny Isiraelita? Moa ve tsy vahoaka voafidy izy ireo? Tsy nampiseho fiangarana ho fanohanana azy ireo ve Andriamanitra? Moa ve i Mosesy tsy nilaza tamin’ny firenen’Isiraely hoe: “Fa hianao efa nofidin’i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra”?’ — Deoteronomia 7:6.
7. a) Inona moa no nitranga rehefa nanda ny Mesia ny Jiosy? b) Iza amin’izao andro izao no afaka manana fitahiana mahatalanjona avy amin’Andriamanitra, ary nahoana?
7 Tsia, tsy nampiseho fiangarana Andriamanitra raha nanome toerana manokana ho an’ny Isiraelita tao anatin’ny fikasany. Nihevitra firenena izay amin’ny alalany no hanaovany izay hahaterahan’ny Mesia izy ka nifidy ny firenena voaforon’ny patriarka hebreo nahatoky. Rehefa nanda ny Mesia, Jesosy Kristy, anefa ny Jiosy ka namono nahafaty azy, dia nesorin’Andriamanitra tamin’izy ireo ny fanohanany. Amin’izao andro izao, ny olona avy amin’ny firazanana sy ny firenena rehetra izay maneho finoana an’i Jesosy dia afaka manana fitahiana kanto sy mamelona fanantenana ny hiaina mandrakizay (Jaona 3:16; 17:3). Asehon’ny zavatra tena misy àry fa tsy misy fizahan-tavan’olona ao amin’Andriamanitra. Afa-tsy izany koa, Jehovah dia nanome baiko ny Isiraelita mba ‘ho tia ny vahiny’ ary, na inona na inona firazanany na fireneny, dia ‘tsy hanao sarotra aminy’. (Deoteronomia 10:19; Levitikosy 19:33, 34.) Marina tokoa fa tsy mizaha tavan’olona ny Raintsika any an-danitra izay fitiavana.
8. a) Inona no manaporofo fa tsy niangatra Jehovah raha ny amin’ny Isiraelita? b) Ahoana no nampiasan’i Jehovah ny Isiraely?
8 Marina fa nanana tombontsoa kanto ny Isiraelita, nefa nanana andraikitra mavesatra hiantsorohana koa izy ireo: tsy maintsy nitandrina ireo lalàn’i Jehovah izy ireny, ary niharan’ny fanozonana izay nandika ireny lalàna ireny (Deoteronomia 27:26). Ny marina dia hoe tsy maintsy nosazina imbetsaka ny Isiraelita noho ny tsy nankatoavana ny Lalàn’Andriamanitra; tsy nitondra azy ireny tamim-piangarana àry Jehovah fa nampiasa azy ireny kosa mba hanorenana fakana tahaka sy hanomezana ohatra natao ho fampitandremana. Soa ihany, ary tamin’ny alalan’ny Isiraely koa, fa naniraka Mpanavotra, dia Jesosy Kristy, Andriamanitra mba hitahiana ny olombelona rehetra. — Galatiana 3:14; jereo Genesisy 22:15-18.
Nizaha tavan’olona ve i Jesosy?
9. a) Amin’ny heviny ahoana moa no azo lazaina fa mitovy Jehovah sy Jesosy? b) Inona avy no fanontaniana mety hapetraka momba an’i Jesosy?
9 Koa satria tsy nizaha tavan’olona Jehovah, mety ho toy izany ve i Jesosy? Jereo izay nolazain’i Jesosy indray andro: “Fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy. (Jaona 5:30). Miray saina tanteraka Jehovah sy ny Zanany malala, ary manatanteraka ny sitrapon’ny Rainy amin’ny zavatra rehetra i Jesosy. Mitovy aoka izany ny hevitra sy ny fikasan’izy ireo, hany ka afaka nilaza toy izao i Jesosy: “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray.” (Jaona 14:9). Nandritra ny 33 taona mahery, dia nandia fiainan’olombelona i Jesosy teto an-tany, ary mitantara ny fomba nitondrany ny olombelona ny Baiboly. Nanao ahoana ny fomba fitondrany ny olona hafa firazanana? Nizaha tavan’olona ve izy? Nanavakava-bolon-koditra ve izy?
10. a) Ahoana no navalin’i Jesosy ny vehivavy Fenisiana iray tonga nitady vonjy taminy? b) Nitompo teny fantatra ve i Jesosy satria nampitaha ny Jentilisa tamin’ny “amboakely”? d) Ahoana no nandresen’ilay vehivavy Fenisiana ny fanoheran’i Jesosy, ary inona no vokatr’izany?
10 Nandany ny ankamaroan’ny fiainany teto an-tany mba hiarahana tamin’ny Jiosy i Jesosy; indray andro anefa, ny vehivavy Fenisiana iray, noho izany dia anisan’ny firenena jentilisa, dia nanatona azy ka nitalaho taminy mba hanasitrana ny zanany vavy. Hoy ny navalin’i Jesosy azy: “Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin’ny ondry very amin’ny taranak’Isiraely.” Niangavy azy toy izao tamin’izay ilay vehivavy: “Tompoko ô, vonjeo aho.” Ary dia nanampy teny toy izao i Jesosy: “Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboakely.” Biby maloto tamin’ny Jiosy ny amboa; nefa azo atao ve ny milaza fa nitompo teny fantatra i Jesosy satria nampitaha ny Jentilisa tamin’ny “amboakely”? Tsia, fa vao avy nilaza izy hoe nanankina taminy fanendrena manokana Andriamanitra, dia ny hikarakara “ondry very amin’ny taranak’Isiraely”; afa-tsy izany koa, dia nanalefaka ny fampitahany izy tamin’ny firesahana ny amin’ny “amboakely”, fa tsy amboa masiaka. Mazava ho azy fa fisedrana an’ilay vehivavy Fenisiana ireo teny ireo; kanefa, na dia tapa-kevitra ny handresy ny fanoherana aza izy, dia namaly tamim-panetren-tena sy fahaiza-mandanjalanja hoe: “Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany.” Nanohina an’i Jesosy ny finoan’io vehivavy io ka nanasitrana ny zanany vavy avy hatrany izy. — Matio 15:22-28.
11. Araka ny asehon’ilay fisehoan-javatra nahatafiditra an’i Jesosy, nanao ahoana moa ny fifandraisan’ny Jiosy tamin’ny Samaritana?
11 Jesosy dia nifampiraharaha koa tamina Samaritana nampifanoherin’ny tsy fifankahazoana lehibe tamin’ny Jiosy. Indray andro, dia naniraka mpitondra hafatra ho any amin’ny vohitra samaritana iray izy, mba hanaovan’ireo fanomanana ho azy; ‘tsy nandray Azy anefa ny mponina, satria nandroso toa ho any Jerosalema Izy’. Sosotra aoka izany Jakoba sy Jaona noho izany fisehoan-javatra izany ka naniry hiantso afo avy any an-danitra handringanana ny Samaritana. Niteny mafy ireo mpianatra roa anefa i Jesosy, ary dia lasa izy rehetra nankany amin’ny vohitra hafa iray. — Lioka 9:51-56.
12. Nahoana moa no gaga ilay vehivavy Samaritana satria nangataka rano taminy i Jesosy?
12 Namelona fankahalana ny Samaritana ve i Jesosy? Aoka hojerentsika izay nitranga tao anatin’ny toe-javatra hafa iray. Rehefa nankany Galilia avy any Jodia Jesosy sy ireo mpianany dia namakivaky an’i Samaria. Trotraka noho ny dia i Jesosy ka nipetraka teo akaikin’ny loharanon’i Jakoba mba hiala sasatra raha mbola nankany Sykara, tanàna teny akaiky, ny mpianany mba hividy sakafo. Tamin’izay no tonga mba hantsaka rano ity vehivavy Samaritana. Na dia niresaka ny Samaritana ho olona “hafa firazanana” aza i Jesosy tao anatin’ny fotoana nanaovany ny fanompoany (Lioka 17:16-18, Kingdom Interlinear Translation), dia hoy izy tamin’io fotoana io tamin’ilay vehivavy: “Omeo Aho hosotroiko.” Koa satria tsy nifanerasera tamin’ny Samaritana ny Jiosy, dia hoy ny navalin-dravehivavy azy: “Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana?” — Jaona 4:1-9.
13. a) Namaly ny fanoheran’ilay vehivavy Samaritana ve i Jesosy, ary ahoana no nataon-dravehivavy? b) Inona no vokatry ny fanambarana nataon’i Jesosy?
13 Tsy namaly ny fanoheran’ilay vehivavy Samaritana i Jesosy; nanararaotra ny fotoana kosa izy mba hanaovana fanambarana taminy, ary tonga hatramin’ny fiaikena fa ny tenany no Mesia (Jaona 4:10-26). Gaga aoka izany ilay vehivavy ka namela ny sininy teo akaikin’ny loharano ary nihazakazaka nankany an-tanàna ka nanomboka nitantara tamin’ny mponina izay nitranga. Na dia ratsy fitondrantena aza izy hatreo, dia izao no nolazainy, ho fampisehoana fa nahaliana azy ny zavatra ara-panahy: “Izao angaha no Kristy?” Noho izany dia maro tamin’ny mponina tao amin’io tanàna io no nino an’i Jesosy noho ny fanambarana tsara dia tsara nataon’ilay vehivavy Samaritana (Jaona 4:27-42). Nanambara toy izao ilay teolojiana kongregasionalista atao hoe Thomas Figart, tao amin’ny bokiny hoe Fahatazanan’ny Baiboly ny zava-manahirana ara-pirazanana (anglisy): “Raha nieritreritra ny Tompontsika fa zava-dehibe ny nanoloana ny lovantsofina ara-pirazanana azo tsinina tamin’ny fanaovan-javatra nampiseho fahamoram-panahy, dia ho tsara ny tsy hanekentsika ho voatariky ny onjam-panavakavaham-pirazanana mirehitra.”
14. Porofon’ny tsy fizahan’i Jehovah tavan’olona inona moa no nomen’i Filipo evanjelisitra?
14 Taloha ny tsy fizahan’i Jehovah Andriamanitra tavan’olona dia nahatonga olona avy amin’ny firazanana samihafa ho afaka ny ho tonga mpanaraka ny jodaisma; aoka anefa izao hojerentsika izay nitranga taonjato 19 lasa izay, teny amin’ny lalana any an’efitra nampitohy an’i Jerosalema tamin’i Gaza. Namaky ny faminanian’Isaia ny lehilahy mainty hoditra iray niasa ho an’ny mpanjakavavin’i Etiopia, tao anaty kalesiny. Proselyta voafora io mpanao raharaham-panjakana ambony io satria “tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka”. Niseho tamin’i Filipo evanjelisitra izay Jiosy ny anjelin’i Jehovah ka nilaza taminy hoe: “Andeha manatona ka mankanesa amin’io kalesy io.” Moa ve i Filipo namaly hoe: “Tsia, satria tsy iray firazanana amiko io olona io”? Mifanohitra lavitra amin’izany! Nekeny tamim-pifaliana ny fanasan’ilay Etiopiana izay niangavy azy mba hiara-hipetraka aminy eo amin’ny kalesy ka hanazava aminy ny faminanian’Isaia momba an’i Jesosy Kristy. Rehefa nahatazana rano ilay Etiopiana dia nanontany an’i Filipo hoe: “Inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?” Koa satria tsy nisy na inona na inona nanohitra izany, dia faly i Filipo nanao batisa an’io Etiopiana io. Araka izany, Jehovah dia nandray ho ao anatin’ny fankasitrahany, io lehilahy nentanin-kafaliana io, izay nohosorana tamin’ny fanahy ka tonga mpianatry ny mananaina tsy mizaha tavan’olona iray, dia Jesosy Kristy Zanany (Asa. 8:26-39). Tsy ho ela anefa dia hiseho ny porofo hafa mampiseho ny tsy fizahan’Andriamanitra tava.
Fiovana lehibe
15. Nahatonga fetezan’ny fiovana inona moa ny fahafatesan’i Jesosy, ary ahoana no nitantaran’i Paoly ny amin’izany fiovana izany?
15 Tsy namarana ny fitompoan-teny fantatra ara-pirazanana teo amin’izao tontolo izao ny nahafatesan’i Jesosy ho sorona. Izany kosa anefa dia nahatonga an’Andriamanitra ho afaka hanova teo amin’ireo mpianatr’i Jesosy, ny fitsipika nitondrana ny Jentilisa raha oharina amin’ny Jiosy. Nitantara ny amin’izany fanovana izany i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Efesiana, Jentilisa tonga kristiana: “Koa tsarovy fa fahiny hianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka (...) tamin’izany andro izany dia tsy nanana an’i Kristy hianareo, fa olon-ko azy tamin’ny fanjakan’ny Isiraely ary vahiny tamin’ireo faneken’ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao; fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy, hianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken’ny ran’i Kristy. Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana.” Io “efitra” io, mariky ny fisarahana, dia mampiseho ny faneken’ny Lalàna izay nanavaka ny Jiosy tamin’ny Jentilisa. Nofoanana io fanekena io noho ny fahafatesan’i Kristy mba hahatonga ny Jentilisa, tahaka ny Jiosy, ho afaka amin’ny alalany, ‘hanatona amin’ny Fanahy iray ho any amin’ny Ray’. — Efesiana 2:11-18.
16. a) Nahoana moa Petera no nandray ireo fanalahidin’ny Fanjakana? b) Nisy firy moa ny fanalahidy, ary ahoana no nampiasana azy?
16 Afa-tsy izany koa, dia nandray “ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra” ny apostoly Petera mba hahafahan’ny olona samy hafa fiaviana hahafantatra ny fikasan’Andriamanitra, “hateraka indray” amin’ny alalan’ny fanahy masina ka ho tonga mpiara-mandova ara-panahy amin’i Kristy (Matio 16:19; Jaona 3:1-8). Mba hanaovana izany, dia nampiasa fanalahidy ara-panoharana telo i Petera: ny voalohany ho an’ny Jiosy, ny faharoa ho an’ny Samaritana ary ny fahatelo ho an’ny Jentilisa (Asa. 2:14-42; 8:14-17; 10:24-28, 42-48). Araka izany, ilay Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona dia nanome ho an’ny olom-boafidy avy amin’ny firazanana rehetra, ny tombontsoa ho rahalahy ara-panahin’i Jesosy sy mpiara-mandova ny Fanjakana aminy. — Romana 8:16, 17; 1 Petera 2:9, 10.
17. a) Fahitana mahatalanjona inona moa no azon’i Petera, ary nahoana? b) Nentina ho any amin’iza moa Petera, ary iza no niandry azy tao amin’io toerana io? d) Inona moa no nampahatsiahivin’i Petera an’ireny Jentilisa ireny, nefa inona no nampahafantarin’i Jehovah Andriamanitra azy mazava?
17 Mba hanomanana an’i Petera hampiasa ny fanalahidy fahatelo ho an’ny Jentilisa, dia nomen’i Jehovah fahitana hafahafa izy, dia ny amin’ny biby maloto, ka hoy izy taminy: “Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano.” Izao no dikan’io fahitana io: “Izay efa nodiovin’Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.” (Asa. 10:9-16). Nanontany tena i Petera hoe inona no hevitr’io fahitana io: very hevitra izy. Tsy ela anefa, dia tonga nanatona azy ny lehilahy telo mba hitondra azy ho any amin’i Kornelio, manamboninahitra romana niasa tao Kaisaria. Koa satria io tanàna io no nisy ny fitobian’ny tafika romana nijanona tany Jodia, dia ara-dalàna tanteraka raha nonina tao i Kornelio. Tao amin’io faritra fanapahan’ny Jentilisa io àry Kornelio sy ny havana aman-tsakaizany no niandry an’i Petera. Hoy ilay apostoly tamin’izy ireo: “Hianareo mahalala fa fady amin’ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin’ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin’Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio. Ary amin’izany dia tsy nandà tsy hankatỳ aho, raha nampanalaina.” — Asa. 10:17-29.
18. a) Inona moa no fanambarana lehibe nataon’i Petera teo anatrehan’i Petera sy ireo olona nasainy? b) Fisehoan-javatra nahagaga inona no nitranga rehefa avy nanao fanambarana ny amin’i Jesosy i Petera? d) Inona moa no fandaharana natao ho an’ireny Jentilisa tonga mpino ireny?
18 Rehefa avy nanazava ny fomba nitarihan’Andriamanitra ny zavatra i Kornelio, dia hoy ny nambaran’i Petera: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asa. 10:30-35). Avy eo, raha mbola nanao fanambarana ny amin’i Jesosy Kristy ilay apostoly, dia nisy fisehoan-javatra nahagaga nitranga: “Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin’izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina.” “Talanjona ny mino isan’ny voafora izay niaraka tamin’i Petera, satria nilatsaka tamin’ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina. Fa nandre azy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an’Andriamanitra izy”. Hoy Petera tamin’izay: “Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa?” Iza no ho afaka hanohitra izany, satria ny fanahy masin’ilay Andriamanitry ny lanitra, ilay Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona, dia nalatsaka teo amin’ireny Jentilisa tonga mpino ireny? Noho izany, dia nandidy i Petera ny ‘hanaovana batisa azy ireny amin’ny anaran’i Jesosy Kristy’. — Asa. 10:36-48.
‘Avy amin’ny firenena rehetra’
19. Nahoana moa no mitombo ny fankahalana ara-pirazanana, ary miely hatraiza izany?
19 Miaina amin’ny “andro farany” ho an’ny fandehan-javatra isika; eny, efa eo ny “andro mahory”. Ankoatra ny toetra hafa, ny olona dia tia tena, mpandoka tena, mpiavonavona, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, tsy mahonom-po, lozabe, kirina ary mpieboebo (2 Timoty 3:1-5). Ao anatin’ny rivo-piainana toy izany, dia tsy mahagaga raha mitombo hatrany ny fankahalana sy ny fifandonana ara-pirazanana eo amin’izao tontolo izao. Araka izany, any amin’ny tany maro, dia misy olona samy hafa firazanana sy volon-koditra, mifanazimba sy mifankahala mihitsy aza, ka izany dia mitarika, any amin’ny sasany amin’ireny tany ireny, ho amin’ny fampisehoana herisetra feno fahasiahana aoka izany indraindray. Na dia any amin’ireo fitambaran’olona lazaina fa mazava saina aza, dia olona maro no sahirana mandresy ny fitompoana teny fantatra ara-pirazanana. Afa-tsy izany koa, io loza io dia toa miely hatrany amin’ny faritra tsy anampoizana izany, toy ny nosy, nanjakan’ny filaminana nofinofisina fahiny.
20. a) Inona moa no hitan’i Jaona teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra? b) Ahoana no fahatanterahan’io faminaniana io? d) Fahasahiranana inona moa no mbola tsy resin’ny sasany tanteraka, ary aiza no tokony hitadiavan’izy ireny fanafodiny?
20 Na dia tsy misy aza ny filaminana eo amin’ireo firazanana any amin’ny faritra samihafa eo amin’izao tontolo izao, dia nanambara ilay Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona, Jehovah, fa hataony izay hisian’ny vahoaka tso-po voaforon’ny olona avy amin’ny firazanana sy ny firenena rehetra, izay hahita firaisan-tsaina mahagaga maneran-tany. Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, no nahitan’ny apostoly Jaona “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry”, nidera an’i Jehovah (Apokalypsy 7:9). Efa eo am-pahatanterahany io faminaniana io. Amin’izao andro izao, any amin’ny tany 210, dia Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 3 300 000 avy amin’ny firenena rehetra sy ny firazanana rehetra, no mahita firaisan-tsaina sy fihavanana ara-pirazanana. Mbola tsy tanteraka anefa izy ireny, ary ny sasany aminy, na dia tsy mahatsapa izany aza, dia mety ho sahirana amin’ny fandresena tanteraka ny fitompoany teny fantatra ara-pirazanana. Ahoana no azo andresena izany fahalemena izany? Io fanontaniana io dia horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka hiorina amin’ny torohevitra mahasoa omen’ny Tenin’ilay Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona, dia Jehovah.
-
-
Aoka isika hanompo an’i Jehovah amim-piraisan-tsainaNy Tilikambo Fiambenana—1988 | 15 Aogositra
-
-
Aoka isika hanompo an’i Jehovah amim-piraisan-tsaina
“Dia hanome molotra madio ny vahoaka aho, mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah sy hanompoany azy amim-piraisan-tsaina.” — ZEFANIA 3:9, Crampon 1905.
1, 2. a) Eo am-panatanterahana faminaniana inona moa Jehovah? b) Fanontaniana inona avy no apetraka noho io faminaniana io?
JEHOVAH ANDRIAMANITRA dia manatanteraka amin’izao androntsika izao, asa tsy vitan’ny olombelona tamin’ny herin’ny tenany mihitsy. Raha fiteny eo amin’ny 3 000 no itenenana eo amin’izao tontolo izao voazarazara misy antsika, dia eo am-panatanterahana ity faminaniana ity Andriamanitra: “Fa amin’izany dia hovako ho madio ny molotry [fitenin’ny, MN ] ny firenena, hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, hanompoany Azy amin’ny firaisan-kina.” — Zefania 3:9.
2 Inona moa izany ‘fiteny madio’ izany? Iza no miteny izany? Ary inona no dikan’ny hoe ‘manompo an’Andriamanitra amim-piraisan-kina’?
Miteny amin’ny ‘fiteny madio’ izy ireo
3. Inona moa ny “fiteny madio”, ary nahoana no tsy misaratsaraka ny olona izay miteny izany?
3 Tamin’ny andro Pentekosta taona 33, dia nalatsaka teo amin’ny mpianatr’i Jesosy Kristy ny fanahy masin’Andriamanitra, ka nanome azy ireo fahafahana hiteny amin’ny fiteny tsy fantany. Tamin’izany no nahafahany nilaza ny “asa lehibe ataon’Andriamanitra” tamin’olona niteny tamin’ny fiteny maro. Nanomboka nampiray olona samy hafa fiaviana Jehovah (Asa. 2:1-21, 37-42). Tatỳ aoriana, rehefa nisy Jentilisa tonga mpianatr’i Jesosy, dia nanomboka nahaforona vahoaka maro karazana aoka izany teo amin’ny lafin’ny fiteny sy ny firazanana ireo mpanompon’Andriamanitra. Na dia tao aza izany rehetra izany, ireny olona ireny dia tsy nahita mihitsy ny fisaratsarahana mandrotidrotika izao tontolo izao, satria izy rehetra miteny ny ‘fiteny madio’ daholo. Io fiteny iombonana io, ampahatsiahivin’ny Zefania 3:9, dia mampiseho ny fitambaran’ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly (Efesiana 4:25). Tsy voazarazara ny olona miteny izany, fa ‘mifanaraka tanteraka rehefa miteny’ ary ‘miray saina sy hevitra’. — 1 Korintiana 1:10.
4. Ahoana moa no anipazan’ny Zefania 3:9 hevitra ny amin’ny fiezahana iray ihany ataon’olona mampiseho fiteny sy firazanana maro, ary iza amin’izao andro izao no manao izany fiezahana izany?
4 Ny ‘fiteny madio’ dia tokony hahatonga olona avy amin’ny firenena rehetra sy ny firazanana rehetra ho afaka hanompo an’i Jehovah “amin’ny firaisan-kina”, raha lazaina ara-bakiteny dia hoe “amin’ny soroka iray ihany”. Ireny olona ireny dia hanompo an’Andriamanitra “amim-piraisam-po” (Français courant); “amim-piraisan-tsaina” (Crampon 1905); “eo ambany zioga iray ihany”. (Jérusalem.) Mandika toy izao an’io andinin-teny io ny fandikan-teny hafa iray: “Dia hataoko izay hananan’ny vahoaka molotra madio mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’ny TOMPO, hanompoany azy amim-piezahana mitovy.” (TOB). Ny Vavolombelon’i Jehovah irery ihany, izay mampiseho fiteny sy firazanana maro, no miara-miezaka ao amin’ny asan’i Jehovah.
5. Ahoana no ampiasan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo fitenin’olombelona?
5 Koa satria ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra miteny io “fiteny madio” io, dia ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, dia ampiasainy amin’ny fomba ambony indrindra ireo fitenin’olombelona: midera an’Andriamanitra izy ireo ary manambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakana (Marka 13:10; Titosy 2:7, 8; Hebreo 13:15). Moa ve tsy mahatalanjona ny amelan’ny “fiteny madio” toy izany, olona avy amin’ny antokom-pirazanana rehetra, hanompo an’i Jehovah amim-piraisan-tsaina?
6. Ahoana moa no fomba fijerin’i Jehovah ny olombelona, ary inona no azon’ny kristiana iray atao raha mbola misy fizahan-tavan’olona tavela ao am-pony?
6 Nanao fanambarana tamin’i Kornelio sy tamin’ny Jentilisa hafa i Petera ka nilaza hoe: “Takatro marina tokoa fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay matahotra azy ka mampihatra ny rariny no ankasitrahany.” (Asa. 10:34, 35, Osty). Araka ny fandikan-teny hafa, Jehovah dia “tsy mifidy olona”, “tsy manavakavaka olona”, “tsy manao zavatra hafa arakaraka ny olona”. (Maredsous; Darby; Français courant.) Isika izay manompo an’i Jehovah, dia araka ny fijerin’i Jehovah azy no tokony hijerentsika ny olona avy amin’ny antokom-pirazanana rehetra. Inona anefa no azon’ny kristiana iray atao raha mbola misy sisa tavela amin’ny fizahan-tavan’olona ihany ao am-pony? Azony atao ny mieritreritra amin’ny fomba mahasoa ny hoe ahoana no itondran’ilay Andriamanitsika tsy mizaha tavan’olona ny olona avy amin’ny firenena sy foko ary vahoaka sy fiteny rehetra izay manompo azy eo amin’izao tontolo izao. — Jereo Réveillez-vous! tamin’ny 8 febroary 1985, pp. 3-11.
Olona faniry
7. Raha ny amin’izay mahakasika ny fifandraisany amin’Andriamanitra, nahoana moa no azo atao ny milaza fa na inona na inona firazanany na fireneny, dia mitovy amin’ny hafa ny kristiana iray?
7 Raha Vavolombelon’i Jehovah ianao amin’izao fotoana izao, dia azo inoana tokoa fa nisy fotoana ‘nampisento sy nampitaraina anao noho ny fahavetavetana’ atao eto amin’ity izao tontolo izao ratsy ity (Ezekiela 9:4). ‘Maty tao amin’ny fahotanao’ ianao, nefa naneho famindrampo taminao Andriamanitra: nanintona anao ho aminy tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy izy (Efesiana 2:1-5; Jaona 6:44). Amin’izany lafiny izany, dia tsy hafa noho ny olon-kafa izay namanao ao amin’ny finoana ankehitriny ianao. Taloha koa izy ireny dia ory noho ny faharatsiana ary ‘maty tao amin’ny fahotany’, ary nandray soa koa tamin’ny famindrampon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy izy ireny. Afa-tsy izany koa, na inona na inona firazanany na fireneny, dia noho ny finoany ihany no mety hiheveran’i Jehovah Andriamanitra antsika ho anankiray amin’ireo vavolombelony. — Romana 11:20.
8. Ahoana moa no ahatanterahan’ny Hagay 2:7 amin’izao androntsika izao?
8 Ny teny ara-paminaniana voasoratra ao amin’ny Hagay 2:7 dia manampy antsika hahatakatra hoe ahoana no tokony hiheverantsika ireo namantsika samy hafa firenena. “Ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah.” Ao amin’ny tena tempolin’Andriamanitra, ao amin’ny faritry ny fanompoam-pivavahana aminy, no anandratana ny fivavahana madio, araka io faminaniana io (Jaona 4:23, 24). Fa inona no atao hoe “izay irin’ny firenena rehetra”? Ireo olona an’arivony maro tia ny rariny ka mandray tsara ny hafatra momba ny Fanjakana. Avy amin’ny firenena rehetra sy ny firazanana rehetra izy ireny ka miakatra ao amin’ny “tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah”; raha lazaina amin’ny teny hafa, dia atao batisa izy ireny ary manatevin-daharana ny “olona betsaka” vavolombelon’Andriamanitra avy amin’ny firenena rehetra (Isaia 2:2-4; Apokalypsy 7:9). Madio sy tsara fitondrantena ary tia fivavahana ny olona midera an’i Jehovah eo anivon’ny fandaminany eto an-tany; tena faniry tokoa izy ireny. Ara-dalana ary raha toa ny kristiana marina iray ka maniry haneho fitiavan-drahalahy amin’ireny olona rehetra ireny, izay nankasitrahan’ny Raintsika rehetra, dia ilay Andriamanitry ny lanitra.
Toetra vaovao
9. Na dia tsy tsara aza ny fiheverantsika ny hafa firenena taloha, nahoana moa no tokony ho hafa ny zavatra, rehefa kristiana isika izao?
9 Matoa faniry ireo rahalahintsika sy anabavintsika ao amin’ny finoana, na aiza na aiza misy azy eto an-tany, dia satria koa narahiny ny torohevitra ao amin’ny Baiboly ny amin’ny tokony ‘hanariana ny toetra taloha mbamin’ny asany sy ny hitafiana ny toetra vaovao’. “Havaozina [io toetra io] ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy. Fa amin’izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra.” (Kolosiana 3:9-11). Raha tsy tsara ny fiheveran’ny olona iray ny hafa firenena sasany, Jiosy, Grika na hafa, talohan’ny nahatongavany ho kristiana, dia tokony ho hafa izao ny zavatra. Na inona na inona firazanany, fireneny na fahaizany, ireo izay nitafy ny “toetra vaovao” dia mampiseho fa ambolen’izy ireo ny vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra, dia: ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny fahamoram-panahy, ny hatsaram-po, ny finoana, ny fahalemem-panahy sy ny fifehezan-tena (Galatiana 5:22, 23). Mahatonga azy ireny ho sarobidy ho an’ny namany kristiana ireo toetra ireo.
10. Raha voan’ny fakam-panahy hanao fanamarihana manaratsy ireo namantsika ao amin’ny finoana isika noho izy ireny anisan’ny firazanana na firenena toy izao na izao, ahoana no mety hanampian’ny Titosy 1:5-12 antsika?
10 Mifanohitra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny olona sasany eo amin’izao tontolo izao dia miteny amin’ny fomba tsy manaja loatra ny olona hafa firazanana noho izy. Nilaza toy izao ny amin’ny mpiray firenena taminy mihitsy aza ny mpaminany kretana iray: “Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda”. Nahatsiaro ireo teny ireo ny apostoly Paoly rehefa tsy maintsy nampangina mpampianatra sandoka teo amin’ireo kristiana tany amin’ny nosy Kreta. Tsy nilaza anefa akory i Paoly hoe mpandainga, ratsy, kamo sy be tenda daholo ny kristiana rehetra tany Kreta (Titosy 1:5-12). Tsia, satria tsy mba miresaka ny hafa amim-panamavoana ny kristiana. Ambonin’izany koa, ny ankamaroan’ireny kristiana ireny dia nitafy ny “toetra vaovao”, ary ny sasany taminy dia nanana ireo toetra ara-panahy notakina mba hanendrena azy ho loholona. Tokony hieritreritra an’io ohatra io isika raha sanatria ka voan’ny fakam-panahy hanao fanamarihana ratsy momba ireo rahalahintsika sy anabavintsika ara-panahy hafa firazanana na firenena.
Aoka isika hihevitra ny hafa ho ambony noho isika
11. Raha mbola tsy afaka ao am-pon’ny kristiana iray ny fironana hizaha tavan’olona, inona no ho azony atao?
11 Etsy an-daniny koa, raha mirona ho tia kokoa firazanana na firenena iray ny kristiana, dia azo inoana fa hiseho eo amin’ny teniny na ny ataony izany; ary mety ho tafintohina noho izany fizahan-tavan’olona izany ny sasany, indrindra fa ao amin’ireo kongregasiona ifangaroan’ny firazanana samihafa. Tsy isalasalana fa tsy misy mihitsy kristiana ho tia ny hanimba toy izany ny firaisan-tsain’ny olon’Andriamanitra (Salamo 133:1-3). Noho izany, raha tsy afaka ao am-pon’ny kristiana iray ny fironana hizaha tavan’olona, dia ho afaka hivavaka amin’izao fomba izao izy: “Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro; ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko, dia tariho amin’ny làlana mandrakizay aho.” — Salamo 139:23, 24.
12. Nahoana moa isika no tsy tokony hirehareha na hanindrahindra olon-kafa mitovy fiaviana amintsika?
12 Aoka isika hiseho hihevitra ny zavatra tena misy ka tsy hanadino fa isika rehetra dia olombelona tsy tanteraka izay ho tsinontsinona eo anatrehan’Andriamanitra raha tsy nanolotra ny ainy ho sorona Jesosy Kristy (1 Jaona 1:8-2:2). Noho izany, inona no tsy itoviantsika amin’ny hafa? Koa satria tsy manana na inona na inona ka tsy noraisintsika isika, nahoana isika no hirehareha na hanindrahindra olon-kafa mitovy firazanana amintsika? — Jereo 1 Korintiana 4:6, 7.
13. Ahoana no azontsika andraisana anjara amin’ny fanaovana izay hisian’ny firaisan-tsaina ao amin’ny kongregasiona, ary inona no fianarana azontsika tsoahina avy amin’ny Filipiana 2:1-11?
13 Afaka mandray anjara amin’ny firaisan-tsain’ny kongregasiona isika amin’ny fampisehoana amin’ireo namantsika fa ankasitrahantsika ny toetrany tsara. Ny apostoly Paoly, izay Jiosy, dia mampieritreritra antsika rehefa nilaza toy izao tamin’ny Jentilisa tao amin’ny kongregasiona tany Filipy: “Tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra, tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin’ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.” Tamin’ny ohatra nomeny, dia nasehon’i Jesosy Kristy tamintsika ny fomba tokony hitondrantsika tena eo anoloan’ny olona, na inona na inona firazanany sy fireneny. Na dia zavaboary ara-panahy nahery aza izy, dia ‘tonga mba hanam-pitoviana tamin’ny olona’ ary nanetry tena hatramin’ny fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana ho an’ny mpanota avy amin’ny firazanana sy ny firenena rehetra (Filipiana 2:1-11). Noho izany, isika izay mpianatr’i Jesosy, moa ve isika tsy tokony haneho fitiavana, fanetren-tena sy fangoraham-po amin’ny fiaikena fa ambony noho isika ny hafa?
Aoka isika hihaino sy handinika
14. Inona moa no mety hanampy antsika hihevitra ny hafa ho ambony noho isika?
14 Ho mora kokoa ny fahaizantsika mihevitra ny hafa ho ambony noho isika raha mihaino azy ireny sy mandinika azy amim-pitandremana isika. Izany fihetsika izany dia hahatonga antsika ho afaka, ohatra, raha loholona isika, hiaiky amim-pahamarinana tanteraka fa ny loholona hafa iray — tsy mitovy firazanana amintsika angamba — dia manome torohevitra tsaratsara kokoa noho isika ao amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika. Ho takatsika angamba fa ny fiainany ara-panahy — fa tsy hoe tsy maintsy ho ny fomba firesany, ny fandahany teny, ohatra — no mahatonga azy ho afaka hahazo vokatra tsara sy hanampy ireo namany kristiana ho tonga mpitory ilay Fanjakana mahay. Hiharihary koa fa mitahy ny fiezahany Jehovah.
15. Inona no mety ho voamarintsika rehefa mihaino ireo namantsika kristiana isika?
15 Rehefa miresaka amin’ireo namantsika kristiana isika na mihaino ny valin-teny omeny amin’ireo fivoriana, dia ho voamaritsika angamba fa ny sasany amin’izy ireny dia mahazo tsara kokoa noho isika ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly sasany; mety ho hitantsika fa lalina kokoa ny fitiavany ny rahalahy, mafy orina kokoa ny finoany, na lehibe kokoa ny fitokisany an’i Jehovah. Araka izany, na inona na inona fiaviany, dia mamporisika antsika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara izy ireny, manampy antsika hanatanjaka ny finoantsika ary manosika antsika hitoky bebe kokoa amin’ny Raintsika any an-danitra (Ohabolana 3:5, 6; Hebreo 10:24, 25, 39). Miharihary fa nanatona azy ireny Jehovah, ary izany no tokony hataontsika. — Jereo Jakoba 4:8.
Voatahy sy tohanana
16, 17. Hazavao amin’ny alalan’ny ohatra ny hoe tsy amim-piangarana no izaran’i Jehovah ireo fitahiana omeny ho an’ny mpanompony avy amin’ny firenena na firazanana toy izao na izao.
16 Tsy amim-piangarana akory no izaran’i Jehovah ireo fitahiana omeny ny mpanompony avy amin’ny firenena na ny firazanana toy izao na izao. Aoka hojerentsika, ohatra, izay hita any Brésil. Tsy misionera akory, fa tantsambo breziliana valo, no nanao izay handrenesana voalohany ny hafatra momba ilay Fanjakana tany. Tany amin’ny 1920 izany. Mazava fa notahin’Andriamanitra ny asa fitoriana notanterahina tao amin’io tany io, satria, tao anatin’ny taom-piasana 1987, dia 216 216 ny tampon’isan’ny mpitory ilay Fanjakana voamarika, amin’ny mponina 141 302 000, ka izany dia manome ampahany mpitory iray isaky ny olona 654.
17 Aoka hojerentsika ny fisehoan’ny fitahian’Andriamanitra hafa iray koa. Tamin’ny aprily 1923, ny Vavolombelon’i Jehovah mainty hoditra roa nonina tany amin’ny nosy Trinite, any Antilles, dia nirahina ho any Afrika andrefana mba hanambara ny hafatra momba ilay Fanjakana tany. Tamin’izany no niasan’ny rahalahy sy ny anabavy Brown tany Afrika nandritra ny taona maro; nantsoina hoe “Brown Baiboly” ilay rahalahy. “Namboly” izy ireo ary ‘nampitombo Andriamanitra’ arakaraka ny nitorian’olon-kafa tao amin’io faritany midadasika io. (1 Korintiana 3:5-9). Amin’izao andro izao, dia miisa ho 32 600 ny mpitory ilay Fanjakana any Ghana ary maherin’ny 133 800 any Nigéria.
18, 19. Manomeza ohatra mampiseho fa manohana ireo mpanompony avy amin’ny firazanana rehetra sy ny firenena rehetra ilay Andriamanitsika tsy mizaha tavan’olona.
18 Araka ny asehon’izay nitranga tamin’ny Vavolombelona japone roa, Jehovah dia mitahy, nefa koa manohana ireo mpanompony avy amin’ny firenena rehetra sy ny firazanana rehetra. Ny 21 jona 1939, dia nosamborina tsy ara-drariny Katsuo Miura sy ny vadiny, nampidirina an-tranomaizina ary nosarahina tamin’ny zanany lahy kely dimy taona izay voatery nampiandraiketina ny renibeny. Nafahana ny vadin’i Katsuo rehefa afaka valo volana fa izy kosa nijanona tany an-tranomaizina nandritra ny roa taona mahery talohan’ny hitsarana azy. Nampiharana fitondrana ratsy izy, rehefa avy eo dia nekena fa meloka ary nomelohina dimy taona an-tranomaizina. Nandritra ny fotoana nitanana azy tany Hiroshima, Andriamanitra dia nanohana azy tamin’ny alalan’ny Soratra masina izay nitondra hery sy fampiononana ho azy foana. Rehefa nipoaka ny baomba ataomika tamin’ny 6 aogositra 1945, dia toa noho ny fahagagana no tsy nahafaty azy, satria nandrava ny tranomaizina nisy azy ny fitsokan’ny fipoahana. Roa volana tatỳ aoriana, dia afaka nody tany amin’ny vady aman-janany izay nonina tany avaratr’i Japon izy.
19 Tany amin’ny tany maro, nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia niharam-panenjehana mafy ny Vavolombelon’i Jehovah; izany no hita tamin’i Robert Winkler, kristiana alemana izay nijaly tany amin’ny toby fitanana nazia, na tany Alemaina na tany Pays-Bas. Koa satria tsy tiany ny hamadika ireo namany, dia nokapohina tamin-kabibiana izy, mafy aoka izany ka nahatonga azy tsy ho fantatra intsony ny fijaliana. Izao no notantarainy: “Noeritreretiko ireo fampanantenan’Andriamanitra nanomezany antoka fa hanampy ireo mpanompony amin’ny fahoriana isan-karazany izy, ka izany dia nampahery ahy sy nanome ahy hery hiaretana izao karazam-pahoriana rehetra izao (...) Ny asabotsy, dia mbola nikapoka ahy ihany ireo iraky ny Gestapo, ary ny alatsinainy nanaraka dia nisy fakana am-bavany ahy. Inona no hitranga izao, ary inona no hataoko? Nitodika tany amin’i Jehovah tao amin’ny vavaka aho, natoky ny fampanantenany. Fantatro fa izany dia nilaza hoe ilaina ny mampiasa hakingana teokratika ho tombontsoan’ny asan’ilay Fanjakana sy mba hiantohana ny fiarovana ireo rahalahiko kristiana. Fitsapana mafy tokoa ho ahy izany! Trotraka tanteraka aho tamin’ny andro fahafito ambin’ny folo, kanefa nisaorako Jehovah izay nahatonga ahy ho afaka hiaritra sy hitana ny tsy fivadihako, noho ny heriny.” — Salamo 18:35; 55:22; 94:18.
Firahalahiana manosika antsika hankasitraka
20. Ahoana no mety hitomboan’ny fanajantsika ireo namantsika avy amin’ny firazanana rehetra sy ny firenena rehetra?
20 Tsy isalasalana mihitsy fa mitahy sy manohana ireo vavolombelony amin’ny firazanana sy ny firenena rehetra Jehovah. Tsy mizaha tavan’olona izy, koa tsy azo alan-tsiny isika izay nanolo-tena ho azy sy manompo azy raha maneho fizahan-tavan’olona. Afa-tsy izany koa, dia tsy maintsy hitombo ny fanajantsika ireo rahalahintsika sy anabavintsika avy amin’ny firazanana sy ny firenena rehetra raha mieritreritra ny lafiny maha-ambony azy ireny oharina amintsika isika. Izy ireny koa dia mampihatra ny fahendren’Andriamanitra izay tsy manavakavaka ary mitondra vokatra tsara dia tsara (Jakoba 3:13-18). Ambonin’izany, ny fahamoram-panahiny, ny fahalalahan-tanany, ny fitiavany mbamin’ireo toetrany hafa araka an’Andriamanitra dia mahatonga azy ireo ho ohatra tsara ho antsika.
21. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona moa isika?
21 Araka izany, dia tokony ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah isika noho ny fahafahana manana fifandraisan’ny mpirahalahy amin’olona avy amin’ny firazanana sy firenena maro. Noho ny fanampiany sy ny fitahiany, dia aoka àry isika hanompo ny Raintsika any an-danitra “amim-piraisan-kina”, ao anatin’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy sy ny fifanajana. Eny, tokony hanana faniriana lalina sy fikasana mafy orina ny hanompo an’i Jehovah amim-piraisan-kina isika.
-