-
FonjaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ny mpiambina fonja no tompon’andraikitra tamin’ny voafonja, araka ny fanaon’ny Romanina tamin’ny taonjato voalohany. (As 12:19) Saika hamono tena àry ilay mpiambina tany Filipy, satria nihevitra fa nitsoaka ireo voafonja. (As 16:27) Matetika no nijoro teo am-baravaran’ny fonja ny mpiambina, na nasiana boloky hazo ny tongotry ny voafonja, na nasiana rojo vy ny tanany ary nafatotra tamin’ny tanan’ny mpiambina mba tsy ho afa-mitsoaka izy. (As 5:23; 12:6-10; 16:22-24) Nisy voafonja azo novangiana.—Mt 25:36; As 23:35; 24:23, 27; 28:16-31; jereo FATORANA; MPIAMBINA FONJA.
-
-
MiaramilaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Rehefa nafahana i Petera. Nosamborin’i Heroda Agripa I sy nataony am-ponja i Petera, ka nambenan’ny antoko-miaramila efatra nifandimby, izay nisy miaramila efatra avy. Ny roa niambina ny varavaran’ny fonja, ary ny roa niara-nafatotra tamin’i Petera, teo amin’ny andaniny roa. Niseho tamin’i Petera anefa ny anjely iray ny alin’iny, ka novahany ny rojo vy teny aminy ary navoakany avy tao am-ponja izy. Nisomaritaka àry ireo miaramila. Nofotopotoran’i Heroda ireo mpiambina ary nasainy “nentina hosazina”, angamba hovonoina ho faty araka ny fanaon’ny Romanina.—As 12:4-10, 18, 19.
-