FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Arkeolojia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Ahitana anarana tanàna sy faritany ary manam-pahefana mitondra anaram-boninahitra samy hafa amin’ny fotoana voafaritra tsara ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, izay azo antoka fa nosoratan’i Lioka. Tsy atahorana hisy diso anefa ve ireny anarana maro be ireny? (Mariho koa ny Lk 3:1, 2.) Mahavariana fa noporofoin’ireo zavatra hitan’ny mpikaroka hoe marina ny zavatra nosoratan’i Lioka. Nilaza izy, ohatra, fa tao amin’ny faritanin’i Lykaonia i Lystra sy Derbe, fa tany amin’ny faritany hafa kosa i Ikonioma. (As 14:1-6) Nilaza kosa ny mpanoratra romanina, anisan’izany i Cicéron, fa tany Lykaonia i Ikonioma. Noporofoin’ny tsangambato iray hita tamin’ny 1910 anefa fa tanàna tany Frijia tokoa i Ikonioma, fa tsy tany Lykaonia.

  • Derbe
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • DERBE

      (Derbè).

      ‘Tanànan’i Lykaonia’, tany Azia Minora. Nankany indroa na intelo ny apostoly Paoly.

      Nankany Derbe i Paoly, rehefa avy notoraham-bato saika maty tao Lystra, tanàna teo akaiky teo. Toa talohan’ny ririnina taona 47-48 izy no nankany, tamin’ny dia misionera voalohany nataony. “Nitory ny vaovao tsara” tao Derbe izy sy Barnabasy, ka “nanampy olona maro ho tonga mpianatra”, anisan’izany angamba i “Gaio avy any Derbe”, izay voalaza fa anisan’ireo mpiara-dia tamin’ny apostoly Paoly tatỳ aoriana. Araka ny tantara, dia i Derbe no tanàna atsinanana indrindra nofehezin’ny faritanin’i Galatia, taorian’ny taona 41. Nilaza anefa i Lioka hoe ‘tanànan’i Lykaonia’ i Derbe. Azo inoana fa ny faritra nisy an’i Derbe na ny kolontsaina nanjaka tao no tiany holazaina. (As 14:6, 19-21; 20:4) Volana maro tatỳ aoriana, dia niverina tany Derbe i Paoly, tamin’ny dia misionera faharoa nataony, rehefa avy nalamina tany Jerosalema ilay adihevitra momba ny famorana (t. 49). (As 15:36; 16:1) Na tsy voatonona aza i Derbe tamin’ny dia misionera fahatelo nataon’i Paoly, dia toa nijanona tao izy rehefa nampahery ny mpianatra rehetra nanerana “ny faritr’i Galatia.” (As 18:23) Tsy nisy filazana mihitsy hoe nisy nanohitra i Paoly tany Derbe. Tsy notononiny koa i Derbe, taona maro tatỳ aoriana, tamin’izy nitantara ny fijaliany tany amin’ireo tanàna teny amin’ny manodidina.​—2Ti 3:11.

  • Ikonioma
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Teo amin’ny sisin-tany nanasaraka an’i Frijia sy Lykaonia no nisy an’i Ikonioma. Mety ho izany no nahatonga ny mpanoratra fahiny toa an’i Strabon sy Cicéron hilaza hoe tany Lykaonia no nisy an’i Ikonioma. I Xénophon indray nilaza hoe tany Frijia no nisy azy io. Raha jerena ny sarintany dia tany Lykaonia no nisy an’i Ikonioma, kanefa porofoin’ireo zavatra nofongarina tao fa nanjaka tao ny kolontsaina sy ny fiteny frijianina. Nasehon’ireo soratra hita tao tamin’ny 1910, fa ny fiteny frijianina no nampiasaina tao nandritra ny 200 taona taorian’ny andron’i Paoly. Tsy diso àry ny mpanoratra ny bokin’ny Asan’ny Apostoly raha tsy nampiditra an’i Ikonioma ho anisan’i Lykaonia. “Fiteny lykaonianina” mantsy no nampiasaina tany Lykaonia.​—As 14:6, 11.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara