-
FamoranaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Noforan’i Paoly i Timoty taoriana kelin’ny nivoahan’io didy io, noho izy tsy te hanafintohina ny Jiosy hitorian’izy ireo, fa tsy noho izy nino hoe tokony hoforana ny Kristianina. (As 16:1-3; 1Ko 9:20) Niresaka imbetsaka momba ny famorana i Paoly. (Ro 2:25-29; Ga 2:11-14; 5:2-6; 6:12-15; Kl 2:11; 3:11) Hoy izy tamin’ny Kristianina hafa firenena tany Filipy: “Isika no tena voafora [fo], ary manao fanompoana masina amin’ny alalan’ny fanahin’Andriamanitra.” (Fi 3:3) Hoy koa izy tamin’ireo tany Korinto: “Tsy midika ho inona ny famorana, ary tsy midika ho inona ny tsy famorana, fa ny fitandremana ny didin’Andriamanitra no izy.”—1Ko 7:19.
-
-
Gresy, GrikaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Azo inoana fa taranaka Grika ilay vehivavy “grika” olom-pirenena syrianina-fenisianina, izay nanan-janakavavy nositranin’i Jesosy. (Mr 7:26-30) Grika niova nanaraka ny Fivavahana Jiosy kosa ireo ‘Grika anisan’ireo niakatra hivavaka’ tamin’ny fotoanan’ny Paska, sy nangataka ny hihaona tamin’i Jesosy. (Jn 12:20; mariho ny faminanian’i Jesosy eo amin’ny andininy faha-32 hoe ‘hitaona ny karazan’olona rehetra ho aminy’ izy.) Samy natao hoe Hellen koa i Titosy sy ny rain’i Timoty. (As 16:1, 3; Ga 2:3) Mety ho taranaka Grika àry izy ireo. Hellenes koa anefa no nilazan’ny mpanoratra grika sasany an’ireo tsy Grika niteny grika sy nanaraka ny kolontsaina grika. Toy izany koa no nilazan’i Paoly ny tsy Jiosy rehetra, araka ny hitantsika teo aloha. Mety ho amin’io heviny io àry no nilazana fa Grika i Titosy sy ny rain’i Timoty. Tany Syria-Fenisia ilay vehivavy grika, ny rain’i Timoty kosa nipetraka tany Lystra tany Azia Minora, ary toa tany Antiokia tany Syria i Titosy. Tsy midika anefa izany hoe tsy teratany na tsy taranaka Grika izy ireo, satria nisy mpanjanaka sy mpifindra monina grika daholo ireo faritra ireo.
-