FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jehovah
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Tsy nanova ny fitsipiny ara-drariny àry i Jehovah rehefa nifandray tamin’ny olona sasany anisan’ny taranak’i Adama mpanota, sy rehefa nitahy azy ireny. Tsy hoe nankasitrahany akory ny fahotan’izy ireny. Azony antoka kosa fa tsy maintsy ho tanteraka ny fikasany, ka “miantso ny zavatra tsy misy ho toy ny misy” izy (toy ny nanovany ny anaran’i Abrama hoe “Abrahama”, midika hoe “Rain’ny Vahoaka (Maro)”, na mbola tsy niteraka akory aza i Abrahama sy Saraha). (Ro 4:17) Fantany fa hanome vidim-panavotana amin’ny fotoana voatondrony (Ga 4:4) izy, ka io no hahafahany hamela heloka sy hanaisotra ny tsy fahalavorariana. (Is 53:11, 12; Mt 20:28; 1Pe 2:24) Izany no nahatonga azy ho afaka hifandray amin’olona tsy lavorary nandova ota, sy hampiasa azy ireny. Azony natao àry ny ‘nanaiky’ azy ireny ho olo-marina, noho izy ireny nino ny fampanantenany sy ny fahatanterahan’izany tamin’i Kristy Jesosy izay nanome ny ainy lavorary ho sorona. (Jk 2:23; Ro 4:20-25) Hita porofo mazava tamin’ilay vidim-panavotana sy ny soa entin’izy io, fa be fitiavana sy mamindra fo izy ary manaraka hatrany ny fitsipiny ara-drariny. Ny fanomezana an’ilay vidim-panavotana mantsy no ‘nanehoany ny fahamarinany amin’izao fotoana izao, mba ho marina izy rehefa manambara fa marina ny olona mino an’i Jesosy [na dia tsy lavorary aza].’​—Ro 3:21-26; ampit. Is 42:21; jereo MANAMBARA HO MARINA.

  • Fahamarinana, Fahitsiana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Marina sady mamindra fo. Tsy milefitra amin’ny fahotana mihitsy i Jehovah satria marina izy, manao ny rariny, masina ary madio. (Sl 5:4; Is 6:3, 5; Ha 1:13; 1Pe 1:15) Tsy afaka ny hamela ny fahotan’ny olona amin’izao fotsiny àry izy, fa tsy maintsy misy antony ara-dalàna sy ara-drariny vao mamela izany izy. Noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa, dia nomeny ny Zanany mba ho sorona fampihavanana hanaronana ny fahotana. Rariny àry raha mamindra fo amin’ireo mpanota manaiky an’io fandaharana io izy. Hoy i Paoly: “Aseho ankehitriny fa afaka ny ho tonga olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra ny olona, nefa tsy amin’ny alalan’ny fitandremana ny lalàna. Eny, afaka ny ho tonga olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra izy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy ... Fa samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra. Toy ny fanomezana maimaim-poana anefa ny fanambarana azy ireo ho marina noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa, amin’ny alalan’ny fanafahana nentin’ny vidim-panavotana naloan’i Kristy Jesosy ... mba ho marina [Andriamanitra] rehefa manambara fa marina ny olona [nandova ota] mino an’i Jesosy.”​—Ro 3:21-26; jereo MANAMBARA HO MARINA.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara