FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Hatsaram-panahy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Mendrika ny hahazo karama ny mpiasa, ary manantena izany izy satria zony sy trosa tokony haloa aminy izany. Tsy manao fanomezana na maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa àry ilay mandoa ny karamany. (Ro 4:4) Tena hatsaram-panahy tsy manam-paharoa kosa no ilain’ny mpanota voaheloka ho faty (ary isika rehetra dia teraka mpanota) mba hanafahana azy sy hanambarana azy ho marina. (Ro 3:23, 24; 5:17) Lazaina fa meloka ho faty kokoa ireo teraka teo ambanin’ny fifaneken’ny Lalàna, satria nampiharihary ny naha mpanota azy ilay fifanekena. Tokony hotadidina koa anefa fa ny Jiosy no nanehoana hatsaram-panahy bebe kokoa, satria izy ireo no voalohany notolorana famonjena.​—Ro 5:20, 21; 1:16.

  • Ota
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Ny tambin’ny ota sy ny heriny. “Fahafatesana no tambin’ny ota.” (Ro 6:23) Lasa eo ambanin’ny “lalàn’ny ota sy fahafatesana” ny olona rehetra, satria taranak’i Adama. (Ro 8:2; 1Ko 15:21, 22) ‘Manjaka’ eo amin’ny olon-drehetra àry ny ota sy ny fahafatesana, ary manandevo azy. I Adama no nivarotra azy ireo ho andevon’ny ota. (Ro 5:17, 21; 6:6, 17; 7:14; Jn 8:34) Inona marina ny ota, raha izany? Fanaovana zavatra iray tsy tokony hatao, na koa tsy fanaovana zavatra iray tokony ho natao. Tsy izany fotsiny anefa ny ota fa anisan’izy io koa ny lalàna na ny hery mifehy ny olona, izany hoe ilay fanirian-dratsy efa ao anatiny, izay nolovany avy tamin’i Adama. Io ota nolovana avy tamin’i Adama io àry no mahatonga ‘fahalemen’ny nofo’, na tsy fahalavorariana. (Ro 6:19) Miasa ao amin’ny olona foana ny “lalàn’ny ota”, ary mitady hifehy sy hibaiko azy hanao zavatra tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra.​—Ro 7:15, 17, 18, 20-23; Ef 2:1-3.

      Toy ny “mpanjaka” ny ota, ka ‘mibaiko’ olona amin’ny fomba samihafa ary amin’ny fotoana samihafa. Hitan’Andriamanitra fa tezitra tamin’i Abela rahalahiny i Kaina lahimatoan’i Adama, ka nampirisihiny mba hiova sy hanao ny tsara. Nilaza taminy mantsy Andriamanitra hoe: “Misy ota mamitsaka eo am-baravarana, ka ianao no tsiriritiny. Ary ianao kosa ve hahafehy azy?” Navelan’i Kaina hifehy azy anefa ny ota, izany hoe ny fialonana sy ny fankahalana, ka nitarika azy hamono olona.​—Ge 4:3-8; ampit. 1Sa 15:23.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara