FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jehovah
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Mampiharihary ny toetrany ny zavaboary. Hita miharihary eo amin’izay noforonin’i Jehovah ny toetrany sasany, na dia talohan’ny namoronana ny olona aza. (Ro 1:20) Be fitiavana izy, ohatra, matoa namorona. Tsy misy tsy ampy mantsy ao aminy, ary tsy miankina amin’iza na iza izy. Raha namorona anjely an-jatony tapitrisa àry izy, dia tsy hisy amin’ireo hampitombo ny fahalalany na hanatsara ny toetrany, izay efa tapitr’ohatra.​—Da 7:9, 10; He 12:22; Is 40:13, 14; Ro 11:33, 34.

  • Jehovah
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Miharihary eo amin’ny zavaboary hita maso ny toetran’i Jehovah tsy hita maso, araka ny tenin’ny apostoly Paoly. (Ro 1:19, 20) Tsy takatry ny saina ny haben’ny heriny, satria ‘asan’ny rantsantanany’ ireo vahindanitra goavana misy kintana an’arivony tapitrisa. (Sl 8:1, 3, 4; 19:1) Tena lalina koa ny fahendreny, ka raha oharina amin’ny kotroka mafy dia toy ny “bitsibitsika ihany” ny zavatra hain’ny olona momba ny zavaboary, na dia efa nikaroka sy nandalina an’arivony taona aza izy ireo. (Jb 26:14; Sl 92:5; Mpto 3:11) Nanaraka lamina maty paika tsara i Jehovah rehefa nanao ity tany ity, ka milamina sy mirindra tsara ny zava-drehetra noforoniny eto. (Ge 1:2-31) Tsy mahagaga àry raha nilaza ny mpanamory sambon-danitra tamin’ny taonjato faha-20 hoe toy ny vatosoa tsara tarehy eo amin’ny habakabaka no fahitany ny tany.

  • Mpanome Lalàna
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Efa tamin’ny andron’ny Israelita Andriamanitra vao nanome fehezan-dalàna be tsipiriany. Azon’ny olona velona talohan’izay nofantarina ihany anefa hoe inona no mety sy tsy mety. Tsy nisy lalàna, ohatra, nandrara mivantana ny fanompoan-tsampy. Tsy afa-tsiny anefa ny mpanompo sampy, hoy ny apostoly Paoly, satria “ny [toetran’Andriamanitra] tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.” Hadalana tanteraka ny nanompo “zavatra noforonina sy nivavaka tamin’izany, fa tsy tamin’ny Mpamorona.” Tsy nisaina ny olona toy ireny ka nanao zavatra mamoafady. Ny lehilahy, ohatra, lasa niray tamin’ny lehilahy ka “nanova ny fanao voajanahary ho amin’ny fanao tsy voajanahary.” Marina fa tsy nisy lalàna nandrara izany. Tsy nifanaraka tamin’ny fomba namoronan’Andriamanitra ny lahy sy vavy anefa izany, ka nanota taminy na ‘tsy nahavoa an’izay nokendrena’ izay nanao an’izany. Natao araka ny endrik’Andriamanitra ny olona ka tokony ho nahatakatra fa ratsy izany. Nataony ampamoaka àry ireny olona nanota ireny, na dia tsy nisy lalàna nanameloka azy aza.​—Ro 1:18-27; ampit. Ro 5:13.

  • Herin’Andriamanitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Nisy nipoirany anefa ireny herin’ny natiora ireny rehefa dinihina ny lanitra sy ny tany. Mifampiankina sy mirindra tsara izy ireny, ka hita hoe tena mahery sy manan-tsaina Ilay nampisy azy ireny. Hoy ny Baiboly momba Azy: “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.” (Ap 4:11) Tsy baikon’ireo tsingerina etỳ an-tany sy any an-danitra i Jehovah. Tsy be sitrapo na mivadibadika izy ka hoe manao zavatra tampotampoka. Ahalalana ny toetrany sy ny fitsipiny ary ny fikasany kosa ny fomba ampiasany ny heriny. Hoy ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao nataon’i G. Kittel momba an’ilay Andriamanitra ao amin’ny Soratra Hebreo: “Tsy ny heriny na ny tanjany no mampiavaka azy, fa ny sitrapony izay tsy maintsy tanterahin’io hery io. Izay foana no misongadina ao [amin’ny Soratra Hebreo].”​—Nadika sy nataon’i G. Bromiley, 1971, Boky II, p. 291.

      Nivadi-pinoana izay Israelita nivavaka tamin’ireo “andriamanitry ny natiora”, ka nitoky tamin’ny lainga ary nanafina ny fahamarinana. Tsy nisaina izy ireo satria naleony nivavaka tamin’ny zavaboary toy izay tamin’ny Mpamorona. Nampiharihary ny toetrany tamin’ny olona anefa i Jehovah Andriamanitra, na dia tsy hita maso aza izy. Hoy i Paoly: “Ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony. Koa tsy afa-tsiny izy ireo.”​—Ro 1:18-25.

  • Fahamarinana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Izay porofoin’ny zavaboary. Porofoin’ny zavaboary fa misy Andriamanitra. Nanafina an’izany fahamarinana izany anefa ny olona sasany “nahalala an’Andriamanitra”, hoy i Paoly. Nanao sy nanompo sampy mantsy izy ireo, fa tsy nanompo an’Andriamanitra mifanaraka amin’ilay fahamarinana fantany momba ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy. Tsy tena andriamanitra ny sampy, fa lainga sy fitaka fotsiny. (Je 10:14) Fantatr’ireo olona ireo ny marina momba an’Andriamanitra nefa natakalony “lainga.” “Nanompo zavatra noforonina sy nivavaka tamin’izany” izy ireo, “fa tsy tamin’ny Mpamorona”, ka nanjary nanao an’izao fanao mamoafady rehetra izao.​—Ro 1:18-31.

  • Izao Tontolo Izao
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Nilaza i Paoly fa ‘ny [toetran’Andriamanitra] tsy hita maso dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.’ (Ro 1:20) Hatramin’ny namoronana ny olombelona no tiany holazaina eo, satria ny sain’ny olona ihany no afaka ‘mahita’ na mahatakatra hoe inona no toetran’Andriamanitra, rehefa mandinika ny zavaboary hita maso izy.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara