FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fananganan-janaka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Ny dikany ho an’ny Kristianina. Niresaka imbetsaka momba ny fananganan-janaka ny apostoly Paoly ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ka ny toerana vaovao tanan’ireo voantso sy voafidin’Andriamanitra no tiany holazaina. Taranak’i Adama mpanota izy ireo, ka andevon’ny ota ary tsy tonga dia hoe zanak’Andriamanitra raha vao teraka. Novidin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy Jesosy anefa izy ireo, ka natsangana ho zanaka ary lasa mpiara-mandova amin’i Kristy Zanaka lahitokan’Andriamanitra. (Ga 4:1-7; Ro 8:14-17) Noho ny safidin’Andriamanitra sy ny sitrapony no nahatonga azy ireo ho zanaka. (Ef 1:5) Ekena ho zanak’Andriamanitra ara-panahy izy ireo rehefa ateraky ny fanahy. (1Jn 3:1; Jn 1:12, 13) Tombontsoa lehibe izany, nefa rehefa miezaka ny tsy hivadika hatramin’ny farany ihany izy ireo vao tena hahazo izany ka ho zanak’Andriamanitra amin’ny fomba feno. (Ro 8:17; Ap 21:7) Izany no nahatonga an’i Paoly hilaza hoe: “Miandry fatratra ny fananganana antsika ho zanaka sy ny fanafahana antsika amin’ny vatantsika [isika], amin’ny alalan’ny vidim-panavotana.”​—Ro 8:23.

  • Voaloham-bokatra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Nateraky ny fanahy ho zanak’Andriamanitra ny Kristianina voahosotra, ary manantena ny ho any an-danitra ka tsy ho faty intsony. “Manana ny voaloham-bokatra, izany hoe ny fanahy” izy ireo raha mbola eto an-tany, ‘sady miandry fatratra ny fananganana azy ireo ho zanaka sy ny fanafahana azy amin’ny vatany, amin’ny alalan’ny vidim-panavotana.’ (Ro 8:23, 24) Manana ny ‘fanahy ho antoka ny amin’izay ho avy’ i Paoly sy ireo Kristianina ho any an-danitra. ‘Antoka mialoha ny amin’ny lovan’izy ireo’ koa ny fanahy.​—2Ko 5:5; Ef 1:13, 14.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara