-
Fantatra Mialoha, Voatendry MialohaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ny fiheveran’ireo mino ny lahatra. Mino izy ireo fa efa fantatr’Andriamanitra mialoha sy efa voatendriny mialoha daholo izay hataon’ny olona rehetra sy hiafarany. Mahalala ny zava-drehetra mantsy, hono, Andriamanitra ka tsy ny lasa sy ny ankehitriny ihany no fantany fa ny hoavy koa, satria lavorary izy. Tsy ho tena lavorary, hono, izy raha tsy fantany mialoha hatramin’ny tsipiriany madinika indrindra ny zava-drehetra. Resahin’izy ireo fa efa voalahatr’Andriamanitra mialoha, ohatra, ny fiainan’i Esao sy Jakoba zanak’i Isaka, raha mbola tsy teraka akory izy mirahalahy. (Ro 9:10-13) Porofoin’ny Efesianina 1:4, 5 koa, hono, fa fantatr’Andriamanitra mialoha sy voatendriny mialoha ny hoavin’ny zavaboariny rehetra, na dia talohan’ny nanorenana an’izao tontolo izao aza.
-
-
Fantatra Mialoha, Voatendry MialohaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nolazain’Andriamanitra mialoha koa fa ny vahoaka taranak’i Jakoba no hahery kokoa noho ny taranak’i Esao (Ge 25:23-26), fa tsy nolazainy kosa izay hiafaran’izy mirahalahy. Midika izany fa i Jakoba no hahazo ny zon’ny lahimatoa, ka hipoitra avy aminy ilay ‘taranak’i’ Abrahama nampanantenaina. (Ge 27:29; 28:13, 14) Tsy araka izay efa fanao na izay ampoizin’ny olona àry no ifidianan’i Jehovah Andriamanitra ny olona iray. Tsy miankina fotsiny amin’izay ataon’ilay olona koa no anomezany andraikitra azy, sao hihevitra ilay olona hoe ‘manan-jo’ hahazo an’ilay andraikitra izy. Nanasongadina izany i Paoly rehefa nanazava fa nomen’Andriamanitra andraikitra sy voninahitra koa ny hafa firenena, fa tsy ny Israelita ihany, noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa.—Ro 9:1-6, 10-13, 30-32.
-