FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Faharatsiana Hisy?
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
    • 8. Inona avy ireo lafin-javatra nasain’i Paoly hoheverintsika?

      8 Izao no fanontanian’ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana: “Misy tsi-fahamarinana va amin’Andriamanitra?” Namaly izy hoe: “Sanatria izany!” Nohamafisiny avy eo fa mamindra fo Andriamanitra, ary noresahiny izay nolazain’i Jehovah momba ny famelana an’i Farao ho velona elaela kokoa. Nasehon’i Paoly koa fa toy ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy isika. Hoy izy, avy eo: “Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin’izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana, mba hampahafantarina koa ny haren’ny voninahiny amin’izay fanaky ny famindrampo, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra, dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin’ny Jiosy ihany, fa ny avy amin’ny jentilisa koa.”—Romana 9:14-24.

  • Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Faharatsiana Hisy?
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
    • 10. Nahoana i Jehovah no nandefitra tamin’ny ratsy fanahy nandritra ireo 1 900 taona lasa?

      10 Nandefitra tamin’ireo “fanaky ny fahatezerana” ihany i Jehovah, ka mbola tsy nandringana azy ireo, nandritra ny 1 900 taona mahery taorian’ny nananganana an’i Jesosy. Nahoana? Anisan’ny anton’izany ny hoe nanomana ireo hiaraka amin’i Jesosy Kristy amin’ny fanjakany any an-danitra izy. Misy 144 000 izy ireo, ary ireo no “fanaky ny famindrampo” noresahin’ny apostoly Paoly. Ny Jiosy no voalohany nasaina ho isan’ireo olona ho any an-danitra ireo. Nanasa ny jentilisa Andriamanitra, tatỳ aoriana. Tsy nanery na iza na iza tamin’ireo mba hanompo azy i Jehovah. Nisy nomeny tombontsoa hiara-manjaka amin’ny Zanany ao amin’ny Fanjakany any an-danitra anefa tamin’ireo nanaiky sy nankasitraka ny fandaharany feno fitiavana. Efa ho vita izao ny fanomanana an’ireo olona ho any an-danitra ireo.—Lioka 22:29; Apokalypsy 14:1-4.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara