FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Iza Ilay Tena Andriamanitra?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
    • 4. Tian’i Jehovah hahafantatra ny anarany sy hampiasa an’ilay izy ianao

      Inona no porofo hoe tian’i Jehovah hahafantatra ny anarany ianao? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

      VIDEO: Manana Anarana ve Andriamanitra?—Ampahany (3:11)

      Sary avy amin’ilay video hoe ‘Manana Anarana ve Andriamanitra?​—Ampahany.’ Lehilahy iray mijery ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah ao amin’ny Salamo 83:18, ao amin’ny ‘Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques’ tamin’ny 1611.
      • Tian’i Jehovah hahafantatra ny anarany ve isika, araka ny hevitrao? Nahoana?

      Tian’i Jehovah hampiasa ny anarany isika. Vakio ny Romanina 10:13, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

      • Nahoana no tena ilaina ny mampiasa an’ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah?

      • Inona no tsapanao rehefa mahatadidy ny anaranao ny olona sady mampiasa an’ilay izy?

      • Araka ny hevitrao, inona no tsapan’i Jehovah rehefa mampiasa ny anarany ianao?

  • Manala Baraka An’Andriamanitra ny Fivavahan-diso
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
    • 1. Nahoana no manala baraka an’Andriamanitra ny zavatra ampianarin’ny fivavahan-diso?

      Tsy ny ‘marina momba an’Andriamanitra’ no ampianarin’ny fivavahan-diso fa ‘aleony lainga.’ (Romanina 1:25) Ny ankamaroan’ny fivavahana, ohatra, tsy mampianatra hoe iza no anaran’Andriamanitra. Ny Baiboly anefa miteny hoe tokony hampiasaina ny anarany. (Romanina 10:13, 14) Rehefa misy loza mitranga koa, dia milaza ny mpitondra fivavahana sasany hoe sitrapon’Andriamanitra ilay izy. Lainga anefa izany. Tsy manao zavatra ratsy mihitsy Andriamanitra. (Vakio ny Jakoba 1:13.) Mampalahelo fa lasa tsy te hanatona an’Andriamanitra ny olona noho ny zavatra diso ampianarin’ny fivavahana.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara