-
Ahoana no Tian’Andriamanitra Hanompoantsika Azy?Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
2. Ahoana no tokony hanompoantsika an’i Jehovah?
I Jehovah no Mpamorona antsika, ka tokony ho izy irery ihany no hotompointsika. (Apokalypsy 4:11) Midika izany hoe izy irery ihany no tokony ho tiantsika sy hivavahantsika. Tsy mety àry raha mampiasa sarivongana na zavatra hafa isika rehefa mivavaka aminy.—Vakio ny Isaia 42:8.
Tokony ho ‘masina sy ankasitrahan’Andriamanitra’ ny fanompoantsika azy. (Romanina 12:1) Tsy maintsy mankatò ny lalàny àry isika. Raha tena tia an’i Jehovah, ohatra, ny olona iray dia ho tia sy hanaraka ny lalàny momba ny fanambadiana. Tsy hanao zavatra manimba fahasalamana koa izy, ohatra hoe mifoka sigara, mampiasa zava-mahadomelina, na misotro toaka be loatra.a
-
-
Fanomezana Sarobidy ny AinaAnkafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
3. Karakarao tsara ny fahasalamanao
Rehefa nanokan-tena ho an’i Jehovah ny olona iray, dia ampiasainy hanompoana azy ny fiainany manontolo. Hoatran’ny hoe ataony sorona ho an’Andriamanitra ny tenany. Vakio ny Romanina 12:1, 2, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Nahoana ianao no tokony hikarakara tsara ny fahasalamanao?
Inona avy no azonao atao mba ho salama ianao?
-