-
Mpanome LalànaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tsy nisy firenen-kafa nomen’Andriamanitra lalàna toy ny an’ny Israely. Efa noforoniny ho afaka ny hanao ny marina anefa ny olona, sady nomeny feon’ny fieritreretana. Lasa tsy lavorary ny olona ary mora manota, nefa mbola hita ihany hoe natao araka ny endrik’Andriamanitra sy misy itovizana aminy ary manana feon’ny fieritreretana. Azo lazaina hoe nifanaraka tamin’ny toro lalan’Andriamanitra ihany àry ny fitsipika sy didim-pitsarana navoakan’ny firenena sasany tsy israelita.
Hoy i Paoly momba izany: “Ho faty tsy manana lalàna [ilay lalàna nomen’Andriamanitra ny vahoakany], ohatra, izay rehetra nanota tsy nanana lalàna, fa hotsarain’ny lalàna kosa izay rehetra nanota teo ambanin’ny lalàna. Ary tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan’Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hambara hoe marina. Manao izay takin’ny lalàna ny olona hafa firenena tsy manana lalàna, satria voajanahary aminy izany. Koa isaky ny manao izany ireny olona ireny, dia efa lalàna ho an’ny tenany izy, na tsy manana lalàna aza. Ny tenany mihitsy no mampiseho fa voasoratra ao am-pony ny votoatin’ny lalàna, ary ny feon’ny fieritreretany koa no vavolombelona miaraka aminy, ka ny eritreriny ihany no miampanga azy na manala tsiny azy mihitsy aza.” (Ro 2:12-15) Tsy nomen’Andriamanitra lalàna ireny firenena ireny, nefa nanota ihany satria ‘tsy nahavoa an’izay nokendrena’, izany hoe tsy nanaraka ny fitsipik’i Jehovah.—Ampit. Ro 3:9.
-
-
VoajanaharyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nomen’Andriamanitra fahaiza-misaina ny olona ka afaka mandinika an’ireo zavatra noharìny sy ny vokatry ny fampiasana azy ireny. Afaka mamantatra ny atao hoe mety sy tsy mety àry ny olona. Raha volavolain’ny Tenin’Andriamanitra koa ny sainy, dia hahay handinika sy hanavaka ary hamantatra izy hoe inona no voajanahary na tsy voajanahary. Ho zatra miasa tsara ny feon’ny fieritreretany amin’izay, ka tsy ho voaloto na hankasitraka ny fanaovan-javatra tsy voajanahary.—Ro 1:26, 27; Tit 1:15; 1Ko 8:7.
-
-
OtaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
‘Voajanahary aminy ny manao izay takin’ny lalàna.’ Tsy nisy lisitra lalàna nanameloka an’izay nanao ratsy, tamin’ny andron’i Adama ka hatramin’i Mosesy. Tsy midika anefa izany hoe tsy nanota ny olona tamin’izany. Hoy i Paoly: “Manao izay takin’ny lalàna ny olona hafa firenena tsy manana lalàna, satria voajanahary aminy izany. Koa isaky ny manao izany ireny olona ireny, dia efa lalàna ho an’ny tenany izy, na tsy manana lalàna aza. Ny tenany mihitsy no mampiseho fa voasoratra ao am-pony ny votoatin’ny lalàna, ary ny feon’ny fieritreretany koa no vavolombelona miaraka aminy, ka ny eritreriny ihany no miampanga azy na manala tsiny azy mihitsy aza.” (Ro 2:14, 15) Natao araka ny endrik’Andriamanitra sy misy itovizana aminy ny olona. Mahay manavaka ny mety sy tsy mety àry izy, ka manana feon’ny fieritreretana. Hita amin’ny tenin’i Paoly fa mbola ao amin’ny olona foana izy io, na dia lasa tsy lavorary sy mpanota aza izy ireo. (Jereo FEON’NY FIERITRERETANA.) ‘Fitsipika momba ny fitondran-tena’ no atao hoe lalàna. Azo lazaina hoe lalàna ao am-pon’ny olona, araka izany, ny fahaizany manavaka ny mety sy ny tsy mety. Manohitra an’io lalàna ao am-pony io anefa ny lalàna hafa iray nolovany, dia ny ‘lalàn’ny ota.’ Miady amin’ny faniriana hanao ny tsara izy io, ary manandevo an’izay olona manaiky ho resiny.—Ro 6:12; 7:22, 23.
Hita hoe niasa ny feon’ny fieritreretan’i Kaina ary mbola tao aminy ilay fahatsapana ny mety sy ny tsy mety, satria tsy namaly mivantana ny fanontanian’i Jehovah izy rehefa avy namono an’i Abela. Nanameloka azy mantsy ny feon’ny fieritreretany, na dia mbola tsy nanome lalàna momba ny famonoana olona aza Andriamanitra. (Ge 4:8, 9) Hita amin’ny tenin’i Josefa hebreo koa hoe tao am-pony ny lalàn’Andriamanitra, satria izao no navaliny ny vadin’i Potifara izay nitaona azy hanao firaisana: “Hataoko ahoana ny hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” Mbola tsy nanameloka mivantana ny fanitsakitsaham-bady Andriamanitra, nefa fantatr’i Josefa fa ratsy izany ary tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra nambara tamin’ny olombelona tany Edena.—Ge 39:7-9; ampit. Ge 2:24.
-