-
Andro FitsaranaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ireo mpitsara. Milaza ny Soratra Hebreo fa i Jehovah no “Mpitsara ny tany manontolo.” (Ge 18:25) Lazain’ny Soratra Grika Kristianina koa fa izy no “Mpitsara ny olona rehetra.” (He 12:23) Nankininy tamin’ilay Zanany lahy anefa ny fitsarana. (Jn 5:22) Lazain’ny Baiboly fa “notendren’Andriamanitra”, na “voatendry” hitsara i Jesosy. (As 10:42; 17:31; 2Ti 4:1) Tsy mifanohitra àry ny hoe “hijoro eo anatrehan’ny fitsaran’Andriamanitra” sy ny hoe “haseho miharihary eo anatrehan’ny fitsaran’i Kristy”, satria nomen’Andriamanitra fahefana hitsara i Jesosy.—Ro 14:10; 2Ko 5:10.
-
-
Toeram-pitsaranaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nankinin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny Zanany ny fitsarana rehetra (Jn 5:22, 27), ka tsy maintsy hiseho eo anatrehan’ny “fitsaran’i Kristy” na ny toeram-pitsarany, ny rehetra. (2Ko 5:10) “Fitsaran’Andriamanitra” na toeram-pitsaran’Andriamanitra koa anefa ilay izy, satria i Jehovah no nanendry ny Zanany ho mpitsara hisolo tena Azy.—Ro 14:10.
-