-
AndronikoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
ANDRONIKO
(Andrônikô) [Lehilahy Mandresy].
Kristianina jiosy tsy nivadika teo anivon’ny fiangonan’i Roma, ary nataon’i Paoly mampamangy rehefa nanoratra ho an’io fiangonana io izy. “Havako” no niantsoan’i Paoly an’i Androniko sy Jonia. Marina fa mety hidika hoe “mpiray tanindrazana” ilay teny grika (syggenes) nampiasainy tamin’izay, nefa “mpihavana iray ra sy mitovitovy taona” no tena dikan’izy io. Asehon’ny teny manodidina fa azo inoana hoe mpihavana akaiky tokoa i Androniko sy Paoly. Nogadraina toa an’i Paoly i Androniko, ary “tsara laza” teo amin’ny apostoly. Izy no lasa Kristianina talohan’i Paoly.—Ro 16:7.
-
-
ApostolyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tsy apostoly i Androniko sy Jonia fa ‘samy tsara laza teo amin’ny apostoly’ fotsiny. (Ro 16:7) Nisy olona kosa nihambo ho “apostolin’i Kristy.”—2Ko 11:5, 13; 12:11, 12; Ap 2:2.
-