FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Zava-miafina Masina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Tsy ho zava-miafina foana àry ny zava-miafina masina sy ny zava-miafina hafa ao amin’ny Baiboly, toy ilay momba an’i Babylona Lehibe. Hampahafantatra izany amin’ny olona mitady azy sy nofidiny hampahalalana izany i Jehovah, amin’ny fotoana voatondrony. Niresaka momba izany i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 2:6-16. “Fahendrena nafenina” ilay ‘zava-miafina masin’Andriamanitra’, hoy izy, ary naharihary tamin’ny Kristianina tamin’ny alalan’ny fanahy masina izy io. Tsy mahazo ny hevitr’izy io ireo manana ny fanahin’izao tontolo izao na ny fahendren’ny olona araka ny nofo. Ireo mampiasa ‘teny araka ny fanahy mba hanazavana zavatra araka ny fanahy’ kosa no mahazo azy io. Hoy i Jesosy Kristy tamin’ny mpianany: “Ianareo no nilazana mazava tsara ny zava-miafina masina [gr.: mysteriôn] momba ny fanjakan’Andriamanitra. Fa amin’ny hafa kosa, dia fanoharana no ilazana ny zava-drehetra, mba hijery izy fa tsy hahita, ary mba handre fa tsy hahazo ny hevitr’izany, ka tsy hiverina dia tsy hahazo famelan-keloka.”​—Mr 4:11, 12; Mt 13:11-13; Lk 8:10.

  • Fahendrena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • “Fahendren’Andriamanitra ao amin’ny zava-miafina masina.” Toe-javatra vaovao nitaky ny hanehoan’Andriamanitra fahendrena ilay fikomiana tao Edena. Nahita fomba izy hamaranana ilay fikomiana, izany hoe hanafoanana ny voka-dratsin’izy io sy hahatonga ny fianakaviany manerana izao rehetra izao hilamina sy hiadana indray. Io fomba nampiasain’i Jehovah io no antsoina hoe “zava-miafina masina, dia ilay fahendrena nafenina, izay efa nomanin’Andriamanitra mialoha, talohan’ny niorenan’ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity”, izany hoe nisy taorian’ny nialan’ny olombelona tao Edena. (1Ko 2:7) Efa nandritra ny taonjato maro Andriamanitra no nampahafantatra ny ambangovangon’io “zava-miafina masina” io tamin’ny alalan’ny fifampiraharahany tamin’ny mpanompony tsy nivadika sy tamin’ny alalan’ny fampanantenana nolazainy tamin’izy ireo. Nisy zavatra nifanitsy tamin’io zava-miafina masina io tao amin’ny Fifaneken’ny Lalàna, ka anisan’izany ny asan’ny mpisorona sy ireo sorona. Voaresaka tao amin’ny faminaniana sy fahitana maro koa izy io.

      Efa 4 000 taona mahery tatỳ aoriana vao naharihary tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy ilay fahendrena nafenina, izany hoe ilay zava-miafina masina. (Kl 1:26-28) Tamin’ny alalany mantsy Andriamanitra no nikasa hanangana “fitantanan-draharaha, rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voatondro. Ary izany dia ny fanangonana indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra na ny zavatra eto an-tany.” (Ef 1:8-11) Nanjary fantatra fa hanome ny vidim-panavotana Andriamanitra mba hamonjena an’ireo olona mankatò, ary hanangana Fanjakana hotarihin’ny Zanany izy mba hanafoanana ny faharatsiana rehetra. “Tonga fahendrena avy amin’Andriamanitra ho antsika [Kristianina]” i Kristy Jesosy, satria izy no fototra iorenan’ny fikasan’Andriamanitra, sady manana anjara asa lehibe ao amin’izany. (1Ko 1:30) “Tsara afina ao aminy tokoa mantsy ny harenan’ny fahendrena rehetra sy ny harenan’ny fahalalana rehetra.” (Kl 2:3) Izy no “Mpitarika Lehibe Indrindra” notendren’Andriamanitra, ka amin’ny alalany ihany no hahazoana famonjena sy fiainana, ary tsy hahazo izany ny olona raha tsy mino azy. (As 3:15; Jn 14:6; 2Ti 3:15) Tsy manana ny tena fahendrena mihitsy àry ny olona lazaina fa hendry nefa tsy miraharaha an’i Jesosy Kristy, sy tsy manao zavatra na mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra, izay naharihariny tamin’ny alalan’i Jesosy.​—Jereo JESOSY KRISTY (Manana anjara asa lehibe ao amin’ny fikasan’Andriamanitra).

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara