-
Tsy ho Levona Mandrakizay ny Lalan’ny FitiavanaNy Tilikambo Fiambenana—1999 | 15 Febroary
-
-
4. Inona no takatsika mazava tsara mahakasika ny fialonana, noho fanazavana omen’ny Baiboly?
4 Nanoratra toy izao ho an’ireo Korintianina i Paoly, taorian’ireo teny fanokafana nataony momba ny fitiavana: “Ny fitiavana tsy mialona”. (1 Korintiana 13:4). Ny fialonana dia mety hiseho amin’ny tsy fahafaliana miharo fitsiriritana, noho ny fahombiazan’ny hafa na ny zava-bitany. Manimba eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy ny fialonana toy izany. — Ohabolana 14:30; Romana 13:13; Jakoba 3:14-16.
5. Ahoana no ahafahan’ny fitiavana manampy antsika handresy ny fialonana, rehefa misy fanomezana tombontsoa teôkratika ka toa odian-tsy hita ny tenantsika?
5 Noho izany, dia manontania tena hoe: ‘Manjary feno fitsiriritana ve aho rehefa misy fanomezana tombontsoa teôkratika ka toa odian-tsy hita ny tenako?’ Raha eny ny valiny, dia aza mamoy fo. Mampahatsiahy antsika i Jakoba, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, fa misy ao amin’ny olombelona tsy lavorary rehetra ny “fironana hitsiriritra”. (Jakoba 4:5, NW ). Afaka manampy anao mba hanana fihetsika voalanjalanja indray, ny fitiavana ireo rahalahinao. Io toetra io dia afaka manampy anao mba hiara-paly amin’izay mifaly, fa tsy hihevitra kosa hoe nalam-baraka ny tenanao manokana rehefa mahazo fitahiana na fiderana ny olon-kafa iray. — Ampitahao amin’ny 1 Samoela 18:7-9.
6. Toe-javatra sarotra dia sarotra inona no nisy tao amin’ny kôngregasiônan’i Korinto tamin’ny taonjato voalohany?
6 Nanampy teny i Paoly fa ny fitiavana dia “tsy mirehareha, tsy mieboebo”. (1 Korintiana 13:4). Raha manana talenta na fahaizana isika, dia tsy misy ilana hampideraderana izany. Miharihary fa io no zava-nanahirana ny lehilahy sasany fatra-paniry laza, izay nitsofoka nangingina tao amin’ny kôngregasiônan’i Korinto fahiny. Nety ho nanana fahaizana ambony kokoa izy ireo teo amin’ny fanazavan-kevitra, na nahita fomba nahomby kokoa mba hanaovan-javatra. Nanintona ny saina ho amin’ny tenany izy ireo, ka mety ho izany no anisan’ny nampisy fitokotokoana tao amin’ilay kôngregasiôna. (1 Korintiana 3:3, 4; 2 Korintiana 12:20). Nanjary sarotra dia sarotra ny toe-javatra ka voatery nananatra mafy an’ireo Korintianina i Paoly, tatỳ aoriana, noho izy ireo ‘nandefitra tamin’ny adala’, izay nokianin’i Paoly tamin’ny teny hoe “apostoly ambony indrindra”. — 2 Korintiana 11:5, 19, 20.
7, 8. Asehoy avy ao amin’ny Baiboly ny fomba azontsika ampiasana ny talenta rehetra ananantsika mba hanandratana ny firaisan-tsaina.
7 Mety hisy toe-javatra mitovy amin’izany koa amin’izao andro izao. Mety hirona hieboebo, ohatra, ny sasany noho ny zava-bitany teo amin’ny fanompoana na noho ny tombontsoa ananany ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra. Na dia tena manana fahaizana manokana tsy ananan’ny hafa ao amin’ny kôngregasiôna aza isika, moa ve izany manome antsika antony hireharehana? Rehefa dinihina tokoa, dia tokony hampiasaintsika mba hanandratana ny firaisan-tsaina ny talenta rehetra ananantsika, fa tsy hanandratantsika ny tenantsika. — Matio 23:12; 1 Petera 5:6.
8 Nanoratra i Paoly fa na dia manana rantsambatana maro voaforon’ireo mpikambana ao aminy aza ny kôngregasiôna iray, dia ‘Andriamanitra no nanamboatra ny tena’. (1 Korintiana 12:19-26). Ilay teny grika nadika hoe ‘manamboatra’ dia midika hoe mampifangaro tsara, toy ny fampifangaroana loko maro. Tsy misy olona tokony hirehareha noho ny fahaizany àry ao anatin’ny kôngregasiôna, ka hoe hanandrana hanjakazaka eo amin’ny hafa. Tsy tokony hisy mihitsy ao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra ny fiheveran-tena ho zavatra sy ny fanirian-daza. — Ohabolana 16:19; 1 Korintiana 14:12; 1 Petera 5:2, 3.
-
-
Tsy ho Levona Mandrakizay ny Lalan’ny FitiavanaNy Tilikambo Fiambenana—1999 | 15 Febroary
-
-
11. a) Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mampiseho fitiavana izay sady mora fanahy no mendrika? b) Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana isika?
11 Nanoratra ihany koa i Paoly fa “mora fanahy” ny fitiavana ary “tsy manao izay tsy mahamendrika”. (1 Korintiana 13:4, 5). Eny, ny fitiavana dia tsy hamela antsika hanao zavatra mitory tsy fahalalam-pomba, na fahambanian-toetra, na tsy fanajana. Hanisy fiheverana ny fihetseham-pon’ny hafa kosa isika. Halavirin’ny olona be fitiavana iray, ohatra, ny fanaovan-javatra izay hanakorontana ny feon’ny fieritreretan’ny hafa. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 8:13.) “Tsy mifaly amin’ny tsi-fahamarinana [ny fitiavana], fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa”. (1 Korintiana 13:6). Tsy hanakimpy ny masontsika amin’ny fahalotoam-pitondran-tena isika na hiala voly amin-javatra halan’Andriamanitra, raha tia ny lalàn’i Jehovah. (Salamo 119:97). Ny fitiavana dia hanampy antsika hahita fifaliana amin-javatra mampandroso, fa tsy amin-javatra manimba. — Romana 15:2; 1 Korintiana 10:23, 24; 14:26.
-
-
Tsy ho Levona Mandrakizay ny Lalan’ny FitiavanaNy Tilikambo Fiambenana—1999 | 15 Febroary
-
-
16. Amin’ny tarehin-javatra manao ahoana avy no afaka manampy antsika hahari-po ny fitiavana?
16 Milaza amintsika i Paoly avy eo fa “mahari-po” ny fitiavana. (1 Korintiana 13:4). Izy io dia manampy antsika hizaka toe-piainana misedra, angamba mandritra ny fe-potoana lava be. Kristianina maro, ohatra, no niaina an-taonany maro tao anatin’ny ankohonana voazarazara. Mpitovo ny hafa, tsy noho ny safidiny akory, fa noho izy tsy afaka nahita vady sahaza azy “ao amin’ny Tompo”. (1 Korintiana 7:39; 2 Korintiana 6:14). Eo koa ireo izay miady amin’ny tsy fahasalamana mampahosa. (Galatiana 4:13, 14; Filipiana 2:25-30). Raha ny marina, ao anatin’ity fandehan-javatra tsy tonga lafatra ity, dia tsy misy olona manana toe-piainana tsy mitaky karazana fiaretana. — Matio 10:22; Jakoba 1:12.
-