FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fanisan-taona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Hoy i Jehovah tamin’i Abrama (Abrahama): “Aoka ho fantatrao tsara fa ho vahiny honina any amin’ny tany tsy azy ny taranakao. Ary tsy maintsy hanompo ny olona any izy ireo, ka hampahoriny efajato taona.” (Ge 15:13; jereo koa As 7:6, 7) Mbola tsy teraka tamin’izay i Isaka, ilay mpandova na “taranaka” nampanantenaina. Teraka tamin’ny 1932 T.K. i Ismaela, zanak’i Abrama tamin’i Hagara, mpanompovavy ejipsianina. Tamin’ny 1918 T.K. kosa i Isaka no teraka. (Ge 16:16; 21:5) Nifarana ilay ‘fampahoriana’ (Ge 15:14) rehefa nafahana tany Ejipta ny Israelita (1513 T.K.). Raha avy eo no manisa 400 taona mihemotra, dia tonga any amin’ny 1913 T.K. Dimy taona teo ho eo i Isaka tamin’izay, ary nosarahi-nono. Efa “vahiny” nonina tany an-tanin’olona sahady izy, ary nanomboka koa ilay fampahoriana nambara mialoha, satria “nihomehy naneso” azy i Ismaela, izay 19 taona teo ho eo tamin’izay. (Ge 21:8, 9) Tsy azo hamaivanina mihitsy io fanesoan’i Ismaela an’ilay mpandova an’i Abrahama io, fa tena zava-dehibe tamin’izany andro izany, matoa tezitra be i Saraha ka nanizingizina ny handroahana an’i Hagara sy Ismaela, ary nankasitraka izany Andriamanitra. (Ge 21:10-13) Matoa izany nosoratana tamin’ny an-tsipiriany tao amin’ny Baiboly, dia nanomboka teo ilay fampahoriana 400 taona nambara mialoha, izay nifarana rehefa niala tany Ejipta ny Israelita.​—Ga 4:29.

  • Fanafahana ny Israelita avy Tany Ejipta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Fotoana nisehoan’ilay fanafahana. Oviana no nanomboka ilay fampahoriana haharitra 400 taona, ary oviana no nifarana? Voalazan’ny lovantsofina jiosy fa nanomboka tamin’ny nahaterahan’i Isaka izy io. Ny andro nampisaraha-nono an’i Isaka anefa vao tena nanomboka ilay fampahoriana. Taona 1913 T.K. tamin’izay, fony 5 taona teo ho eo i Isaka fa i Ismaela kosa 19 taona teo ho eo. “Nanenjika an’ilay nateraka araka ny fanahy ilay nateraka araka ny nofo”, izany hoe Ismaela. (Ga 4:29) Nialona sy nankahala an’i Isaka i Ismaela, metisy ejipsianina, ka “nihomehy naneso” an’ilay zazalahikely. Tsy adiadin’ankizy fotsiny àry ilay izy! (Ge 21:9) Ny Baiboly hafa manao hoe “nihomehy” (Prot.; Kat.) na “naneso” (JM). Nitohy nandritra ny androm-piainan’i Isaka ny fampahoriana ny taranak’i Abrahama. Marina fa notahin’i Jehovah i Isaka rehefa lehibe. Nila sotasota taminy anefa ny mponin’i Kanana, ka voatery nifindrafindra monina izy. (Ge 26:19-24, 27) Nandeha nipetraka tany Ejipta ilay ‘taranaka’, rehefa antitra i Jakoba zanak’i Isaka. Lasa andevo izy ireo tatỳ aoriana.

  • Hagara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Anisan’ny noresahin’ny apostoly Paoly tao amin’ny sary an’ohatra iray i Hagara. Noharin’i Paoly tamin’ny firenen’Israely ara-nofo izy. Io ilay firenena nanao fifanekena tamin’i Jehovah. Teo amin’ny Tendrombohitra Sinay no nanomboka nanan-kery io fifaneken’ny Lalàna io, izay ‘nitera-jaza ho amin’ny fanandevozana.’ Mpanota ny olona ka tsy vitan’ny firenen’Israely ny nankatò tanteraka an’ilay fifanekena. Tsy nahatonga ny Israelita ho vahoaka afaka ilay fifanekena, fa vao mainka kosa nanameloka azy ireo ho mpanota mendrika ny ho faty. Andevo àry izy ireo. (Jn 8:34; Ro 8:1-3) Nifanitsy tamin’i Jerosalema i Hagara, tamin’ny andron’i Paoly. Nandevozina niaraka tamin’ny zanany mantsy i Jerosalema renivohitra, izay mifanitsy amin’ny firenen’Israely ara-nofo. Ny Kristianina nateraky ny fanahy kosa no zanak’ilay “Jerosalema any ambony”, izay oharina amin’ny vadin’Andriamanitra. Tsy andevo na oviana na oviana io “Jerosalema any ambony” io, fa olona afaka toa an’i Saraha. Nenjehin’i Ismaela i Isaka taloha. Nenjehin’ny zanak’ilay Jerosalema nandevozina koa ny zanak’ilay “Jerosalema any ambony”, izay nafahan’ilay Zanak’Andriamanitra. Noroahina anefa i Hagara sy ny zanany, ka midika izany fa nolavin’i Jehovah koa ny firenen’Israely ara-nofo.​—Ga 4:21-31; jereo koa Jn 8:31-40.

  • Ismaela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Teraka i Isaka herintaona taorian’izay, ary 14 taona i Ismaela tamin’izay. (Ge 16:16; 21:5) Nosarahi-nono i Isaka rehefa afaka dimy taona (tamin’ny 1913 T.K.), ary tamin’izay andro izay i Ismaela no tratra “nihomehy naneso” an’i Isaka zandriny hafa reny. (Ge 21:8, 9) Tsy sangisangin’ankizy tsotra fotsiny no nataon’i Ismaela. Hita amin’ny andininy manaraka fa mety ho resaka fandovana no nanesoan’i Ismaela an’i Isaka. Nohazavain’ny apostoly Paoly fa “sary an’ohatra” izany, ary nantsoiny hoe fanenjehana ilay fampijalian’i Ismaela, metisy ejipsianina, an’i Isaka. Nanomboka tamin’izay àry ilay 400 taona voalaza fa hampahoriana ny Israely. Nifarana izany rehefa nafahana avy tany Ejipta ny Israely, tamin’ny 1513 T.K.​—Ga 4:22-31; Ge 15:13; As 7:6; jereo ISAKA.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara