FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Vehivavy Afaka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Vehivavy tsy andevo. Antsoina hoe vehivavy afaka i Saraha vadin’i Abrahama, sy “ilay Jerosalema any ambony.” Nafahan’i Jehovah Andriamanitra avy tany Ejipta ny firenen’Israely, ary nomeny ny Lalàna teo an-tendrombohitra Sinay. Lasa vadiny hafa àry io firenena io nanomboka tamin’izay ka mandra-pifaran’ny fifaneken’ny Lalàna, tamin’ny taona 33. (Je 3:14; 31:31, 32) Tsy lasa vehivavy afaka anefa ilay firenena na dia nanana ny Lalàna aza, satria mbola nandevozin’ny ota ihany. Noharin’i Paoly tamin’i Hagara mpanompovavin’i Abrahama sady vadiny hafa àry ilay Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany, ary nohariny tamin’i Ismaela zanak’i Hagara ny ‘zanak’i Jerosalema’, izany hoe ny mponina tao. Vehivavy afaka toa an’i Saraha kosa ilay vadin’i Jehovah voalohany, dia ilay Jerosalema any ambony. Olona afaka koa ny zanany. Tsy maintsy afahan’ilay Zanak’Andriamanitra amin’ny fanandevozan’ny ota anefa ny olona iray, vao ho lasa zanak’ilay Jerosalema any ambony ka hanana “fahafahana.”​—Ga 4:22–5:1; Jn 8:34-36.

  • Hagara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Anisan’ny noresahin’ny apostoly Paoly tao amin’ny sary an’ohatra iray i Hagara. Noharin’i Paoly tamin’ny firenen’Israely ara-nofo izy. Io ilay firenena nanao fifanekena tamin’i Jehovah. Teo amin’ny Tendrombohitra Sinay no nanomboka nanan-kery io fifaneken’ny Lalàna io, izay ‘nitera-jaza ho amin’ny fanandevozana.’ Mpanota ny olona ka tsy vitan’ny firenen’Israely ny nankatò tanteraka an’ilay fifanekena. Tsy nahatonga ny Israelita ho vahoaka afaka ilay fifanekena, fa vao mainka kosa nanameloka azy ireo ho mpanota mendrika ny ho faty. Andevo àry izy ireo. (Jn 8:34; Ro 8:1-3) Nifanitsy tamin’i Jerosalema i Hagara, tamin’ny andron’i Paoly. Nandevozina niaraka tamin’ny zanany mantsy i Jerosalema renivohitra, izay mifanitsy amin’ny firenen’Israely ara-nofo. Ny Kristianina nateraky ny fanahy kosa no zanak’ilay “Jerosalema any ambony”, izay oharina amin’ny vadin’Andriamanitra. Tsy andevo na oviana na oviana io “Jerosalema any ambony” io, fa olona afaka toa an’i Saraha. Nenjehin’i Ismaela i Isaka taloha. Nenjehin’ny zanak’ilay Jerosalema nandevozina koa ny zanak’ilay “Jerosalema any ambony”, izay nafahan’ilay Zanak’Andriamanitra. Noroahina anefa i Hagara sy ny zanany, ka midika izany fa nolavin’i Jehovah koa ny firenen’Israely ara-nofo.​—Ga 4:21-31; jereo koa Jn 8:31-40.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara