-
‘Ampiantsoy Ireo Loholona’Ny Tilikambo Fiambenana—1993 | 15 Mey
-
-
18, 19. Inona no anjara asan’ireo loholona kristiana mifandray amin’ny Galatiana 6:2, 5?
18 Ireo loholona kristiana dia tsy maintsy miantsoroka ny andraikiny eo anatrehan’ny andian’ondrin’Andriamanitra. Tsy maintsy manome ny fanohanany izy ireo. Hoy i Paoly, ohatra: “Ry rahalahy, na dia manao fahadisoana alohan’ny hahatsapany izany aza ny olona iray, dia iezahonareo izay manana ireo toetra ara-panahy ilaina arenina amin’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy izany olona izany, sady hevero ny tenanao manokana, fandrao mba halaim-panahy koa ianao. Mifampitondrà entana, ka tanteraho araka izany ny lalàn’i Kristy.” Hoy koa ny nosoratan’ilay apostoly: “Samy hitondra ny enta-mavesany avy ny tsirairay.” (Galatiana 6:1, 2, 5 NW ).
19 Ahoana no ahafahantsika sady mifampitondra entana no samy hitondra ny enta-mavesatsika avy? Manome antsika ny valin’izany ny fahasamihafan’ny hevitr’ireo teny grika roa nadika hoe “entana” sy “enta-mavesatra”. Raha tafiditra ao anatin’ny zava-tsarotra ara-panahy izay toy ny entana manasatra aoka izany ny Kristiana iray, ireo loholona sy mpiray finoana aminy hafa dia hitondra fanampiana ho azy, ka hanampy azy hitondra ireo ‘entany’. Kanefa, ilay olona mihitsy no antenaina mba hitondra ny “enta-mavesany” manokana, dia ny andraikiny eo anatrehan’Andriamanitra.a Faly mitondra ny ‘entan’ireo rahalahiny’ ireo loholona amin’ny alalan’ny fampaherezana sy ny torohevitra araka ny Soratra Masina ary ny vavaka. Kanefa, ireo loholona dia tsy haka ny ‘enta-mavesatry’ ny tenantsika manokana, dia ny andraikitsika ara-panahy. — Romana 15:1.
-
-
‘Ampiantsoy Ireo Loholona’Ny Tilikambo Fiambenana—1993 | 15 Mey
-
-
a Ny A Linguistic Key to the Greek New Testament, nataon’i Fritz Rienecker, dia milaza fa ny hoe phor·tiʹon dia “enta-mavesatra iray izay antenaina ny hitondran’ny tena azy” ary manampy toy izao: “Izy io dia nampiasaina ho toy ny voambolana ara-tafika hanondroana ny fehezan’entan’ny lehilahy iray na ny fitambaran’ireo fitaovan’ny miaramila iray”.
-