FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Loloha
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • I Jehovah no “ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy eto an-tany anarana.” (Ef 3:15) Tiany hisy hamelo-maso àry ny fianakaviana mba tsy ho lany taranaka. Efa nisy namelo-maso toy izany ny loham-pianakaviana fahiny. Lasa anisan’ny Lalàna nomena ny Israely izany. “Tsy tokony ho lasa vadin’olon-kafa” ilay vehivavy maty vady, izany hoe tsy tokony hanambady lehilahy tsy anisan’ny fianakaviany. Rehefa niteraka izy sy ilay rahalahim-badiny, dia nitondra ny anaran’ilay nodimandry ny lahimatoan’izy ireo, fa tsy ny anaran’ilay rahalahim-badiny. Tsy hoe tsy maintsy nitovy anarana tamin’ilay nodimandry akory ilay zaza, fa hoe tsy lany taranaka ilay nodimandry ary tsy nifindra tamin’olon-kafa ny lovan’ny ankohonany.

  • Fianakaviana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • FIANAKAVIANA

      Mishpahah no teny hebreo nadika hoe fianakaviana, ary patria kosa no teny grika. Tsy ankohonana fotsiny no dikan’ny mishpahah fa foko, vahoaka, na firenena koa. Malalaka be koa ny hevitry ny patria. I Jehovah Andriamanitra no nanorina ny fianakaviana. Izy no Rain’ny fianakaviany any an-danitra sy “ahazoan’ny fianakaviana rehetra ... eto an-tany anarana.” (Ef 3:14, 15) I Jehovah mantsy no nanorina ny fianakavian’olombelona voalohany, ary fikasany ny hampiasa azy io mba hahatonga ny tany ho feno olona. Na dia lasa mpanota aza i Adama, dia navelan’i Jehovah hanana fianakaviana sy hiteraka zanaka “nisy itovizana taminy, araka ny endriny.” (Ge 5:3) Noforonin’i Jehovah ho afaka miteraka ny olona, ary asehon’ny Baiboly mazava tsara fa zava-dehibe amin’i Jehovah izany. Natao ho afaka miteraka ny olona mba hanan-taranaka foana sy tsy ho lany tamingana.​—Ge 38:8-10; De 25:5, 6, 11, 12.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara