FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fantatra Mialoha, Voatendry Mialoha
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Ny fiheveran’ireo mino ny lahatra. Mino izy ireo fa efa fantatr’Andriamanitra mialoha sy efa voatendriny mialoha daholo izay hataon’ny olona rehetra sy hiafarany. Mahalala ny zava-drehetra mantsy, hono, Andriamanitra ka tsy ny lasa sy ny ankehitriny ihany no fantany fa ny hoavy koa, satria lavorary izy. Tsy ho tena lavorary, hono, izy raha tsy fantany mialoha hatramin’ny tsipiriany madinika indrindra ny zava-drehetra. Resahin’izy ireo fa efa voalahatr’Andriamanitra mialoha, ohatra, ny fiainan’i Esao sy Jakoba zanak’i Isaka, raha mbola tsy teraka akory izy mirahalahy. (Ro 9:10-13) Porofoin’ny Efesianina 1:4, 5 koa, hono, fa fantatr’Andriamanitra mialoha sy voatendriny mialoha ny hoavin’ny zavaboariny rehetra, na dia talohan’ny nanorenana an’izao tontolo izao aza.

  • Fantatra Mialoha, Voatendry Mialoha
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Voatendry mialoha ireo ‘voantso sy voafidy.’ Misy koa ireo Kristianina “voantso” na ‘voafidy’ (Jd 1; Mt 24:24), izay ‘voafidy araka ny efa fantatr’Andriamanitra mialoha’ (1Pe 1:1, 2), ‘voafidy talohan’ny nanorenana izao tontolo izao’, ‘voatendry mialoha mba hatsangana ho zanak’Andriamanitra’ (Ef 1:3-5, 11), ary ‘voafidy hatrany am-piandohana ho amin’ny famonjena sy voantso ho amin’izany indrindra.’ (2Te 2:13, 14) Ny Kristianina voahosotra tsirairay ve ireo voatendry mialoha ireo? Sa izay rehetra hiara-manjaka amin’i Kristy Jesosy any an-danitra, dia ny fiangonana kristianina izay “vatana iray” ihany?​—1Ko 10:17; Ef 1:22, 23; 2:19-22; He 3:1, 5, 6.

      Raha efa voatendry mialoha ho voavonjy mandrakizay ny Kristianina voahosotra tsirairay, dia toa midika izany fa tsy hivadika mihitsy izy, satria efa fantatr’Andriamanitra mialoha ny momba azy ary tsy tokony ho diso hevitra mihitsy Andriamanitra. Tsy tokony ho voasakana na handamòka mihitsy koa ny fikasany momba azy. Nilaza anefa i Petera sy Paoly fa misy efa ‘voavidy’ sy ‘nohamasinina’ tamin’ny ran’ny sorom-panavotan’i Kristy, sy efa “nanandrana ny fanomezana maimaim-poana avy any an-danitra” sy ‘anisan’ny nahazo ny fanahy masina, ary efa nanandrana ny herin’ilay tontolo ho avy’, nefa mihemotra sy tsy mety mibebaka ka hahatonga fandringanana ho an’ny tenany. (2Pe 2:1, 2, 20-22; He 6:4-6; 10:26-29) Hoy àry ireo apostoly ireo: “Tokony hanao izay rehetra azonareo atao ianareo mba ho azo antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo. Tsy ho lavo mihitsy ianareo, raha manao ireo zavatra ireo foana.” “Miezaha mafy foana amin-tahotra sy hovitra, mba hahazoanareo famonjena.” (2Pe 1:10, 11; Fi 2:12-16) “Voantso ho apostolin’i Jesosy Kristy” i Paoly (1Ko 1:1), nefa tsy nihevitra hoe efa voalahatra ho voavonjy mandrakizay ny tenany. Nilaza mantsy izy fa mbola niezaka mafy ho tonga amin’ny ‘tanjona, mba hahazoany ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra avy any ambony’ (Fi 3:8-15), sao izy indray no “tsy hankasitrahana.”​—1Ko 9:27.

      Homena ny “satroboninahitry ny fiainana” ny Kristianina voahosotra, raha tsy mivadika mandra-pahafatiny, na dia iharam-pitsapana aza. (Ap 2:10, 23; Jk 1:12) Mety tsy ho azony koa anefa ilay satroboninahitra ka tsy hiara-manjaka amin’ny Zanak’Andriamanitra izy. (Ap 3:11) Natoky i Paoly fa ‘notehirizina’ ho azy “ny satroboninahitry ny fahamarinana.” Efa akaiky ho ‘vitany’ anefa tamin’izay ny ‘fihazakazahany’, matoa izy afaka nilaza izany.​—2Ti 4:6-8.

      Raha efa fantatr’Andriamanitra mialoha sy efa voatendriny mialoha kosa ny hisian’ny fiangonana kristianina, na ilay “firenena masina” (1Pe 2:9) manontolo (fa tsy ny Kristianina voahosotra tsirairay), dia midika izany fa notendreny mialoha ny “modely” tokony harahin’ireo rehetra ho voantso ho anisan’ilay fiangonana, ary mifanaraka amin’ny fikasany izany. (Ro 8:28-30; Ef 1:3-12; 2Ti 1:9, 10) Efa voatendriny mialoha koa ny asa tokony hataon’izy ireo, ary efa fantany fa hisy fitsapana hatrehiny noho ny fampahorian’ity tontolo ity.​—Ef 2:10; 1Te 3:3, 4.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara