-
Inona no Hanampy Anao Hianatra Baiboly Foana?Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
4. Ataovy zava-dehibe aminao ny mianatra Baiboly
Sahirana be isika indraindray ka hoatran’ny hoe tsy manam-potoana hianarana Baiboly. Inona no azontsika atao? Vakio ny Filipianina 1:10, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Inona avy no hitanao hoe “zava-dehibe kokoa” eo amin’ny fiainana?
Ahoana no hampisehoanao hoe zava-dehibe aminao ny mianatra Baiboly?
Raha asianao fasika aloha ny siô iray vao asianao vato, dia hisy vato tsy ho tafiditra
Raha ny vato no ampidirinao voalohany, dia ho tafiditra ao amin’ilay siô avy eo ny ankamaroan’ny fasika. Raha izay “zava-dehibe kokoa” no ataonao voalohany, dia ho vitanao tsara izy ireny ary mbola hanam-potoana hanaovana zavatra hafa ianao
Mila an’Andriamanitra isika, ka te hahafantatra sy te hanompo azy. Afaka manampy antsika amin’izany ny fianarana Baiboly. Vakio ny Matio 5:3, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Inona no soa ho azontsika raha zava-dehibe amintsika ny mianatra Baiboly?
-
-
Mifidiana Fialam-boly Mampifaly An’i JehovahAnkafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
4. Ampiasao tsara ny fotoananao
Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Tsy hoe nijery zavatra ratsy akory ilay rahalahy tao amin’ilay video. Inona anefa no vokany rehefa nandany fotoana be hialana voly izy?
Vakio ny Filipianina 1:10, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Nahoana io andinin-teny io no manampy antsika hanapa-kevitra hoe hoatran’ny ahoana ny fotoana holanintsika amin’ny fialam-boly?
-