-
ApostolyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nisakana ny fivadiham-pinoana sy ny fidiran’ny fivavahan-diso teo anivon’ny fiangonana kristianina ny apostoly, fony fahavelon’izy ireo. Azo inoana fa izy ireo ilay resahin’ny 2 Tesalonianina 2:7 hoe “misakana.” Izao no voalaza ao: “Marina fa efa miasa sahady ilay zava-miafina ny amin’io fandikan-dalàna io, saingy mandra-panala an’ilay misakana amin’izao fotoana izao fotsiny.” (Ampit. Mt 13:24, 25; As 20:29, 30.) Nahasakana ny fivadiham-pinoana ny apostoly mandra-pahafatin’i Jaona tamin’ny taona 100 tany ho any, noho ny fahefana sy hery manokana nananan’izy ireo. (1Jn 2:26; 3Jn 9, 10) Tsy nanana fahefana toy izany intsony izay olona nihambo ho mpandimby an’ireo apostoly, matoa vetivety dia nahazo vahana ny fivadiham-pinoana sy ny fampianaran-diso ary ny fombafomban’ny mpanompo sampy, rehefa maty izy ireo.
-
-
Fahafoizan-tena ho An’AndriamanitraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Inona ‘ilay zava-miafina ny amin’ny fandikan-dalàna’ noresahin’i Paoly?
Mifanohitra tanteraka amin’ilay ‘zava-miafina masin’i’ Jehovah io ‘zava-miafina ny amin’ny fandikan-dalàna’ io. Zava-miafina ho an’ny tena Kristianina izy io, satria mbola tsy tena nazava tsara tamin’ny andron’i Paoly hoe iza “ilay lehilahy mpandika lalàna.” Na efa nipoitra aza io “lehilahy” io, dia mbola tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona ihany, satria mody nahafoy tena ho an’Andriamanitra mba hanafenana ny asa ratsiny. Antokon’olona mpivadi-pinoana izy io raha ny marina. Nilaza i Paoly fa efa niasa sahady “ilay zava-miafina ny amin’io fandikan-dalàna io” tamin’ny androny, satria efa nisy mpandika lalàna teo anivon’ny fiangonana kristianina ka ireo no lasa mpivadi-pinoana. Haringan’i Jesosy Kristy amin’ny alalan’ny fisehoan’ny fanatrehany anefa io “lehilahy” mpivadi-pinoana fehezin’i Satana io. Hanandra-tena “ho ambony noho izay rehetra atao hoe ‘andriamanitra’ na izay zavatra ivavahana” (gr.: sebasma) mantsy izy io. Tena mpamitaka gaigilahy àry io mpanohitra an’Andriamanitra io, satria mody mahafoy tena ho an’Andriamanitra mba hanafenana ny asa ratsiny. Ho ringana izay rehetra manara-dia azy.—2Te 2:3-12; ampit. Mt 7:15, 21-23.
-