FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fitiavana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Nandidy toy izao i Jesosy: ‘Tiavo [agapate] ny fahavalonareo.’ (Mt 5:44) Andriamanitra mihitsy no nametraka an’io fitsipika io, araka izao nambaran’ny apostoly Paoly izao: “Andriamanitra ... naneho ny fitiavany [agapen] antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty ho antsika i Kristy. ... Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, dia vao mainka hovonjena amin’ny fahavelomany isika, amin’izao efa nampihavanina tamin’Andriamanitra izao.” (Ro 5:8-10) Ahitana tsara izany ny nitiavany an’i Saoly avy any Tarsosy, izay lasa apostoly Paoly. (As 9:1-16; 1Ti 1:15) Ny fitsipik’Andriamanitra àry no tokony hibaiko ny fitiavantsika ny fahavalo. Tokony ho tia ny fahavalo koa isika mba hankatoavana ny didin’Andriamanitra, na miraiki-po amin’ilay olona isika na tsia.

  • Rafitr’ity Tontolo Ity
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Rafitra na tontolo ratsy. Noresahin’i Paoly tamin’i Timoty ny momba an’ireo “manankarena eto amin’ity tontolo ity.” Tsy ny tontolo jiosy nisy tamin’izany anefa no noresahiny satria maro ny Kristianina hafa firenena nifanerasera tamin’i Timoty, ankoatra ny Kristianina jiosy, ary tsy voatery ho ilay tontolo jiosy no nampanan-karena an’ireo Kristianina hafa firenena ireo. (1Ti 6:17) Nilaza koa i Paoly fa nandao azy i Demasy “satria tia an’ity tontolo ity izy.” Tsy ilay tontolo jiosy nisy tamin’izany no nolazainy hoe tian’i Demasy, fa ny toe-piainana sy ny fomba fiainan’ny olona tamin’izany.​—2Ti 4:10; ampit. Mt 13:22.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara