FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Kreta, Kretanina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Voaporofo fa nitory tany Kreta i Paoly, taorian’ny roa taona nigadrany tany Roma, tamin’ny faramparan’ny fanompoany. Rehefa handeha izy, dia nasainy nijanona tao Kreta i Titosy mba hanitsy ny zavatra tsy nety teo anivon’ireo fiangonana tany, ka hanendry anti-panahy “isan-tanàna.” (Tit 1:5) Niresaka momba ny olana teo anivon’ny fiangonana i Paoly, tao amin’ny taratasiny ho an’i Titosy, ka nindrana ny tenin’ny mpaminany kretanina toy izao izy: “Mpandainga foana ny Kretanina, bibidia masiaka sady kamo be tenda.” (Tit 1:10-12) Voalaza fa i Epimenida, velona tamin’ny taonjato fahenina T.K., io poety kretanina io. Mitovy amin’izany koa ny fiheveran’ny Grika ny Kretanina fahiny, satria tamin’ny Grika dia midika hoe mpandainga ny hoe Kretanina.

  • Tendan-kanina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Tsy tokony hisy izany hoe Kristianina tendan-kanina izany. Niezaka àry ny apostoly Paoly mba tsy ho tafiditra teo anivon’ny fiangonana izany toetra ratsy izany. Navelany tany Kreta i Titosy mba hikarakara an’ilay fiangonana vaovao tany. Nampahatsiahiviny azy ny tenin’ny mpaminany iray avy any Kreta (angamba i Epimenida, poety kretanina tamin’ny taonjato fahenina T.K.), manao hoe: “Mpandainga foana ny Kretanina, bibidia masiaka sady kamo be tenda [a.b.t.: kibo].” Nilaza àry i Paoly fa tokony hotendren’i Titosy ho mpiandraikitra izay lehilahy tsy nisy hokianina tamin’ireo lafiny ireo, sy tsy mpimamo na nanana faniriana tsy mety afa-po, ary lehilahy nahafehy tena tsara.​—Tit 1:5-12.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara