FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jesosy Kristy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • I Jesosy Kristy Tompo àry no “Mpitarika Lehibe Indrindra sy Mpandavorary ny finoantsika.” Tsy maintsy miorina mafy aminy ny tena finoana, noho izy nanatanteraka faminaniana sy nampahafantatra ny fikasan’Andriamanitra, ary noho ny toetrany sy ny zavatra nolazainy ary nataony.​—He 12:2; 11:1.

  • Tehim-panjakana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Resahin’ny Salamo faha-2 fa hampiasa tehim-by ilay voahosotr’i Jehovah mba hamotehana an’ireo firenena. (Sl 2:2, 6, 9; ampit. Ap 12:5; 19:15.) Nampiharin’i Petera tamin’i Jesosy Kristy io faminaniana io. (As 4:25-27) Ara-drariny foana ny fampiasan’i Jesosy Kristy ny fahefany, ka lazaina fa tehim-pahitsiana ny tehim-panjakany.​—Sl 45:6, 7; He 1:8, 9.

  • Seza Fiandrianana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • I Jehovah no nanome an’i Jesosy ny seza fiandrianany na ny fahefana hanjaka, araka ny Salamo 45:6 izay naverin’i Paoly hoe: “Andriamanitra no seza fiandriananao mandrakizay.” (He 1:8) Omen’ny Devoly fahefana hanjaka koa ny fandaminany, satria “nomen’ilay dragona hery sy seza fiandrianana ary fahefana lehibe ilay bibidia” “niakatra avy tao amin’ny ranomasina.” (Ap 13:1, 2) Notoloran’i Satana hery sy fahefana i Jesosy Kristy, kanefa nitakiany hoe: “Raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao, dia ho anao manontolo izany.” (Lk 4:5-7) Tsy maintsy manompo an’i Satana àry ilay “bibidia” vao omeny seza fiandrianana na fahefana.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara