FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Voahosotra, Fanosorana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Nanatanteraka faminaniana maro tao amin’ny Soratra Hebreo i Jesosy avy any Nazareta. Izy àry ilay Voahosotr’i Jehovah, ka mety ny iantsoana azy hoe Mesia na Kristy. (Mt 1:16; He 1:8, 9) Tsy nohosorana menaka anefa izy, fa nohosoran’i Jehovah tamin’ny fanahiny. (Mt 3:16) Notendren’i Jehovah ho Mpanjaka sy Mpaminany ary Mpisoronabe izy, ka nantsoina hoe Voahosotr’i Jehovah. (Sl 2:2; As 3:20-26; 4:26, 27; He 5:5, 6) Niaiky i Jesosy tamin’izy tao Nazareta, fa voahosotra tokoa ny tenany. Nilaza mantsy izy fa tanteraka taminy ilay faminaniana ao amin’ny Isaia 61:1 hoe: “I Jehovah nanosotra ahy.” (Lk 4:18) Izy irery no lazain’ny Baiboly fa nohosorana ho mpaminany sy mpisoronabe ary mpanjaka. Nohosorana ‘menaka fifaliana mihoatra noho ireo namany’ (ireo mpanjaka hafa taranak’i Davida) izy. I Jehovah mihitsy no nanosotra azy, ary tsy nohosorany menaka izy fa nohosorany tamin’ny fanahy masina, mba ho Mpanjaka sy Mpisoronabe any an-danitra fa tsy etỳ an-tany.​—He 1:9; Sl 45:7.

  • Hebreo, Taratasy ho An’ny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Niaiky i Paoly fa nampiseho ny heriny tokoa Andriamanitra teo Sinay, ho fankasitrahana ny fifaneken’ny Lalàna. Niavaka kokoa anefa ny porofo nomen’i Jehovah rehefa nanomboka nanan-kery ny fifanekena vaovao, satria nisy famantarana sy fambara ary fahagagana maro tamin’izay, ary nahazo fanahy masina ny iray fiangonana. (He 2:2-4; ampit. As 2:1-4.) Avo kokoa noho ny an’ireo mpanjaka taranak’i Davida ny seza fiandrianan’i Kristy. Any an-danitra mantsy izy io, fa tsy eto an-tany, tsy ao Jerosalema. (He 1:9) Andriamanitra no nanome fahefana an’i Kristy ka tsy azo hozongozonina ny Fanjakany, tsy hoatran’ilay fanjakana tao Jerosalema izay rava tamin’ny 607 T.K. (1:8; 12:28) Zava-mahatalanjona kokoa noho ny fahagagana teo an-tendrombohitra Sinay no asehon’Andriamanitra ny vahoaka angoniny. Entiny manatona an’ilay Tendrombohitra Ziona any an-danitra mantsy ny Kristianina voahosotra, ary tsy ny tany ihany no hohozongozoniny fa ny lanitra koa.​—12:18-27.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara