FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Efa Niditra Amin’ny Fitsaharan’Andriamanitra ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana—2011 | 15 Jolay
    • ‘Velona ny tenin’Andriamanitra’

      20. Inona ny hevitra roa azontsika tsoahana avy amin’ny Hebreo 4:12? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

      20 Tsy dia tena hoe ny Baiboly ilay “tenin’Andriamanitra” tian’i Paoly horesahina ao amin’ny Hebreo 4:12.c Hita amin’ireo andinin-teny hafa ao amin’io toko io hoe ny fampanantenan’Andriamanitra no tiany horesahina. Rehefa nilaza àry izy hoe ‘velona ny tenin’Andriamanitra’, dia midika izany hoe tsy hadinon’i Jehovah ny fampanantenany ary manatanteraka azy ireny izy. Nanamafy izany i Jehovah, rehefa nilaza tamin’i Isaia hoe: ‘Tsy hiverim-potsiny atỳ amiko ny teniko, fa hahomby amin’izay andefasako azy.’ (Isaia 55:11) Mila manam-paharetana àry isika, raha tsy tanteraka amin’ny fotoana tiantsika ny fampanantenany. Tadidio fa “tsy mitsahatra miasa” i Jehovah mba hanatanterahana an-tsakany sy an-davany ny fikasany.—Jaona 5:17.

      21. Nahoana ny Hebreo 4:12 no mampahery an’ireo Kristianina be taona anisan’ny “vahoaka be”?

      21 Maro amin’ireo olona anisan’ny “vahoaka be” no nanompo an’i Jehovah nandritra ny am-polony taona maro. (Apok. 7:9) Tsy nieritreritra ny ho antitra eto amin’ity tontolo ratsy ity izy ireo. Tsy kivy anefa izy ireo, na izany aza. (Sal. 92:14) Fantany fa “velona” ny tenin’Andriamanitra’, izany hoe ny fampanantenany. (Heb. 4:12) Miasa foana i Jehovah mba hanatanterahana azy ireny. Zava-dehibe amin’i Jehovah ny fikasany, ka faly Izy rehefa hitany hoe zava-dehibe amintsika koa izy io. Matoky i Jehovah fa ho tanteraka ny fikasany amin’izao andro fitsaharany izao, ary hanao zavatra mifanaraka amin’izany ny vahoakany. Manao zavatra mifanaraka amin’ny fikasan’i Jehovah koa ve ianao? Efa niditra amin’ny fitsaharany ve ianao?

  • Efa Niditra Amin’ny Fitsaharan’Andriamanitra ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana—2011 | 15 Jolay
    • c Manana heviny hafa koa anefa ny Hebreo 4:12. Miteny amintsika amin’ny alalan’ny Baiboly Andriamanitra ankehitriny, ary manana hery hanovana ny fiainantsika izy io. Azo lazaina hoe ny Baiboly koa àry ilay hoe “tenin’Andriamanitra” ao amin’io andininy io.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara