-
FifanekenaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Fifanekena fa ho mpisorona tahaka an’i Melkizedeka. Voalaza ao amin’ny Salamo 110:4 io fifanekena io, ary asehon’ny Hebreo 7:1-3, 15-17 fa i Kristy ilay mpisorona. Nataon’i Jehovah tamin’i Jesosy Kristy irery ilay fifanekena. Toa niresaka momba azy io i Jesosy, rehefa nanao fifanekena tamin’ny mpianany momba ny fanjakana iray. (Lk 22:29) Nianiana i Jehovah fa ho mpisorona tahaka an’i Melkizedeka i Jesosy Kristy, ilay Zanany tany an-danitra. Mpanjaka sady mpisoron’Andriamanitra teto an-tany anefa i Melkizedeka. Ho Mpanjaka sy Mpisoronabe koa àry i Jesosy Kristy, saingy tsy eto an-tany, fa any an-danitra. Lasa Mpisoronabe mandrakizay izy rehefa niakatra tany an-danitra. (He 6:20; 7:26, 28; 8:1) Manan-kery mandrakizay àry io fifanekena io, satria ho Mpanjaka sy Mpisoronabe mandrakizay i Jesosy.—He 7:3.
-
-
Mpialoha LalanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
I Jesosy anefa ilay “mpialoha lalana” resahin’ny Hebreo 6:19, 20, izay hany andininy ahitana an’io teny io. Tsy hoe ambany kokoa noho ireo ho avy aoriany anefa izy. Izy kosa no voalohany nankany an-danitra mba hahazo voninahitra tany, ka nanokatra sy nanomana ny lalana ho an’ireo mpianany izay ho any koa. (Jn 14:2, 3) Sahy manatona an’Andriamanitra àry izy ireo, satria efa nisantatra ny lalana ilay Mpialoha Lalana.—He 10:19-22.
-
-
MpisoronabeFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
I Jesosy Kristy Mpisoronabe. Lasa “mpisoronabe mandrakizay tahaka an’i Melkizedeka” i Jesosy Kristy, rehefa natsangana tamin’ny maty sy nankany any an-danitra. (He 6:20; 7:17, 21) Ambony sy tsara kokoa noho ny fisoronan’ny taranak’i Arona ny an’i Kristy satria toy ny an’i Melkizedeka, izay notendren’ilay Andriamanitra Avo Indrindra ho mpanjaka sady mpisorona, fa tsy nandova izany tamin’ny razambeny. Avy tamin’ny fokon’i Joda sy taranak’i Davida koa i Kristy Jesosy fa tsy avy tamin’ny fokon’i Levy, ka tsy nandova ny fisoronany tamin’ny taranak’i Arona. (He 5:10) Notendrena ho Mpanjaka sady Mpisorona any an-danitra izy, araka ilay fampanantenana hoe: “Nianiana i Jehovah ka tsy hanenina, eny, nianiana izy hoe: ‘Mpisorona mandritra ny fotoana tsy voafetra ianao, tahaka an’i Melkizedeka!’” (Sl 110:4) Manana fahefana hanjaka koa i Kristy satria taranak’i Davida. Izy no mpandova an’ilay fanjakana nampanantenain’i Jehovah an’i Davida, izay nanaovany fifanekena. (2Sa 7:11-16) Mpanjaka sady Mpisorona tahaka an’i Melkizedeka àry izy.
Tsara lavitra noho ny fisoronan’ny fokon’i Levy koa ny an’i Kristy. Toy ny hoe nanome ampahafolon-karena ho an’i Melkizedeka mpisorona sady mpanjakan’i Salema i Levy razamben’ireo mpisorona jiosy, rehefa nanome ny ampahafolon’ny zavatra azony babo ho an’io mpanjaka io i Abrahama. Mbola tao an-kibon’i Abrahama mantsy i Levy tamin’izay. Toy ny hoe nahazo tsodrano avy tamin’i Melkizedeka koa izy. Fantatsika anefa fa ny kely kokoa no mahazo tsodrano avy amin’izay lehibe kokoa. (He 7:4-10) “Tsy nanan-dray [i Melkizedeka] ary tsy nanan-dreny, tsy nanana tetirazana, tsy nisy fiandohana ny androm-piainany sady tsy nisy fiafarana”, hoy i Paoly. Mifanitsy tsara aminy àry i Jesosy Kristy izay ho mpisoronabe mandrakizay, satria nomena “fiainana tsy mety levona” izy rehefa natsangana tamin’ny maty.—He 7:3, 15-17.
-
-
FanantenanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Manantena ny hiaina mandrakizay sy homena vatana tsy mety lo ireo “nahazo fiantsoana ho any an-danitra.” (He 3:1) Tena marim-pototra sy azo antoka izany fanantenany izany, noho ireto zavatra roa tsy mety miova sady tsy hain’Andriamanitra andaingana ireto: Ny fampanantenany sy ny fianianany. Miankina amin’i Kristy koa io fanantenana io. Efa any an-danitra sy tsy mety maty intsony anefa izy, ka izany no ilazana an’ilay fanantenana hoe “vatofantsiky ny aintsika, sady azo antoka no mafy orina, ary miditra ao ambadiky ny ridao. Tao koa no niditra ho antsika ny mpialoha lalana, dia i Jesosy, izay tonga mpisoronabe mandrakizay tahaka an’i Melkizedeka.”—He 6:17-20.
-