-
MelkizedekaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Mifanitsy amin’io mpisoronabe io i Kristy. Nanonona faminaniana miavaka momba ny Mesia i Jehovah, rehefa nianiana tamin’ny ‘Tompon’i’ Davida hoe: “Mpisorona mandritra ny fotoana tsy voafetra ianao, tahaka an’i Melkizedeka!” (Sl 110:1, 4) Rehefa namaky an’io salamo io àry ny Hebreo, dia fantany fa sady ho mpanjaka no mpisorona ilay Mesia nampanantenaina. Nanoratra ho an’ny Hebreo ny apostoly Paoly, tatỳ aoriana, ka notsoriny hoe iza io Mesia nambara mialoha io. Tsy iza izy io fa i “Jesosy, izay tonga mpisoronabe mandrakizay tahaka an’i Melkizedeka.”—He 6:20; 5:10; jereo FIFANEKENA.
-
-
MelkizedekaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Voalaza ao amin’ny Targoman’i Jerosalema fa i Sema zanakalahin’i Noa, hono, no Melkizedeka. Eken’ny Jiosy maro sy ny olon-kafa koa izany. Marina tokoa fa velona tamin’ny andron’i Melkizedeka i Sema, ary tsy maty izy raha tsy efa tatỳ aorian’ny nahafatesan’i Saraha, vadin’i Abrahama. Nahazo tsodrano avy tamin’i Noa mihitsy aza i Sema. (Ge 9:26, 27) Tsy misy porofo anefa manamarina hoe i Sema no Melkizedeka. Ny azo antoka kosa dia tsy resahin’ny Soratra Masina mihitsy ny momba ny fiavian’i Melkizedeka, ny tetirazany, ary ny taranany. Tsy sendrasendra fotsiny izany, fa natao mba hampisy fitoviana eo amin’i Melkizedeka sy Jesosy Kristy, “izay tonga mpisoronabe mandrakizay tahaka an’i Melkizedeka” noho ny fianianana mafy nataon’i Jehovah.—He 6:20.
-